- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Momba ny RuNet Echo

Sokajy: Mediam-bahoaka

RuNet Echo [1]

Ny RuNet Echo [1] dia tetikasan'ny Global Voices. Ny tena tanjon'ny tetikasa dia ny hanitatra sy hampivelatra ny fahatakarana ny aterineto Rosiana (RuNet [2]) sy ireo vondrom-piarahamonina antserasera.

Ny ho lasa loharanom-baovao azo antoka, tsy mitanila sy mora takarina ary manan-danja ao amin'ny aterineto Rosiana no tanjonay. Miezaka ihany koa izahay handray anjara amin'ny fikarohana mitohy ao amin'ny RuNet amin'ny alalan'ny fanomezana fijery mivelatra kokoa momba ny vondrom-piarahamonina antserasera Rosiana sy ireo olana maro mifandray amin'izy ireo.

Mikaroka sy manadihady ny hasarotry ny ao amin'ny RuNet amin'ny alalalan'ny fitaterana, famotopotorana ary fandikana ireo olana sy lohahevitra ankehitriny ao Rosia ary ny fisehon'izy ireo any amin'ny sehatra fibilaogina samihafa, ny forums sy ny tambajotra sosialy ary ny media antserasera samihafa ireo tonian-dahatsoratry RuNetEcho.

Mifantoka amin'ny lohahevitra maro ny RuNet Echo:

Miaraka amin'ny fitaterana ireo lohahevitra “mahazatra” ao amin'ny aterineto Rosiana, mandalina ireo lohahevitra nentim-paharazana, toy ny hetsika nasionalista an-tserasera, ny olan'ny reformista, ny seraseram-bahoaka ara-politika sy ny filokan-tsoavaly araka ny vintana, ary ireo vondrom-piarahamonina antserasera atao anjorom-bala sy ny tranonkala ny tetikasa.

Izahay, ekipan'ny fanoratana ao amin'ny tetikasa, dia matoky tanteraka ny fiarahamiasa mahomby miaraka amin'ny mpihaino manerantany ary mandrisika ny mpamaky mba hanome fanamarihana sy hanome soso-kevitra lohahevitra fanampiny izay tokony horesahana amin'ny fikarohana/asa ataontsika. Azo atao mora foana amin'ny fandefasana mailaka aty aminay [1] izany.