Misy fiantraikany ao amin'ny firenena maro any Azia Atsimo-atsinanana ny fiakaran'ny hafanana sy ny tsy fahampian-drano, noho ny tranga toetr'andro El Niño.
Miha-maina ny renirano sy ny lava-drano. Noho ny haintany mihamitombo manerana ny faritra, nihena ny vokatra ara-pambolena. Tantsaha an-tapitrisany ankehitriny no tsy manana ny fivelomany intsony, ka mihamitombo ny fahantrana sy ny tsy fahampian-tsakafo any ambanivohitra.
Hatramin'ny volana martsa tamin'ity taona ity, firenena maro no nahatsapa hafanana goavana. Na ny biby aza mijaly noho ny toetrandro diso mafana loatra.
Ny fandaminana amin'ny fizarana rano no fepetra noraisin'ny governemanta maro. Notontosaina ihany koa ny hetsika famafazana rahona mba hamokarana orana, saingy tsy dia nanampy loatra ny tantsaha miady amin'ny hain-tany izany. Nampanantena hanome fanampiana ho an'ireo tanàna tratran'ny hain-tany ny manampahefana, saingy taraiky vao tonga izany fanampiana izany tany amin'ny firenena sasany, ka nanery ireo tantsaha hanao hetsi-panoherana.
Mihevitra ireo manam-pahaizana fa efa tapitra hatreo ny ambaratonga ratsy indrindra amin'ny El Niño, saingy tranga hafa goavana (La Niña) kosa ny fisian'ny loza mitatao. Mbola tsy tafarina tamin'ny fiantraikany ara-tsosialy sy ara-toekarena nateraky ny El Niño akory ny faritra kanefa dia tsy maintsy miomana amin'ny fahatongavan'ity toetrandro ratsy hafa ity ankehitriny.
Ireto ambany ireto ny tantara nosoratan'ny mpanoratra sy ny mpiara-miasa amintsika momba ny fiantraikan'ny El Niño tany Azia atsimo-atsinanana tamin'ny 2016. Hitantara hatrany momba izany ny Global Voices. Aza misaraka aminay.
-
Manao Fihetsiketsehana Mitady Fanampiana Ara-Tsakafo Ny Tantsaha Filipiana Tratran'ny El Niño [mg] (18 May 2016)
-
Niharan'ny Voka-dratsin'ny Ny Haintany Ihany Koa Ny Biby Tao Kambodza [mg] (9 May 2016)
-
Ahoana Ny Fiantraikan'ny El Niño Tamin'ireo Faritra Maina ao Myanmar [mg] (5 May 2016)
-
Herinandro Maromaro Mahamay, Nanao Ahoana i Myanmar Tratran'ny Tadion'Havandra Ratsy Indrindra Indray Tao Anatin'ny 50 Taona? [mg] (26 Aprily 2016)
-
Saripika: Naparitaky Ny Polisy Ao Filipina Ireo Tantsaha Manao Fihetsiketsehana Mangata-Bary [mg] (8 Aprily 2016)
-
Ny Fomba Fiatrehan'ireo Mponin'i Myanmar Ny Fiakaran'ny Maripàna Nateraky Ny El Niño [mg] (25 Febroary 2016)