Andian-tantara misy fizarana enina avy amin'ilay mpikatroka Sarmad Al Jilane mikasika ny zavatra niainany tamin'ny rafi-pamomnjana Syriana ny “Sleeping or Dead” (Matory na Maty) . Monina any Torkia ankehitriny, iray amin'ireo mpanorina sy mpandrindra ny ‘Raqqa Is Being Slaughtered Silently‘ (Vonoina amim-pahanginana ankehitriny i Raqqa) i Al Jilane, vondrona mpikatroka natsangana kitanontanona izay nofaritan'ny New Yorker ho “karazana orinasan'ny mpanao gazety mpikatroka miafina “. Niady mafy ny vondrona hatramin'ny nanombohan'ny revolisiona manohitra ny fitondran'i Bashar Al Assad ary avy eo rehefa nirodana ny tanàndehibe notànan'ny Tafika Syriana Afaka (FSA), dia niady tamin'ny ISIS.