- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rivo-doza Myanmar 2008

Sokajy: Mediam-bahoaka

Cyclone(Marihana fa efa tamin'ny taona 2008 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Namely an'i Myanmar (Burma) tamin'ny fiandohan'ny volana Mey ny rivo-doza nahafatesana olona, izay namoizana aina marobe sy fahasimban'ny tontolo iainana. Nilatsaka ny adihevitra iraisam-pirenena taorian'ny fandavan'ny fitondrana miaramila sy ny fahatarana tamin'ny famelana ireo mpiasa mpamonjy voina sy mpanao gazety hiditra ao amin'ny firenena na any amin'ny faritra niharan'ny loza, izay ahiahian'ny Firenena Mikambana fa mety ho olona an-tapitrisany no mila fanampiana maika.

Twitter logo [1]Hita fa lasa fitaovana manan-danja ho an'ny fitantarana ny krizy ny Twitter. Araho ny Vaovao momba an'i Myanmar amin'ny Twitter [1] avy amin'ny Global Voices. Jereo ihany koa ny MBS feed [2] mahafinaritra.

Mong Palatino [3].no tonian-dhatsoratry Global Voices Azia Atsimo-atsinanana.

Lahatsoratra Global Voices

Sep 29 – Myanmar: Mbola mila fanampiana [4]
May 16 – Myanmar: Lahatsarin'ny olon-tsotra taorian'ny rivo-doza [5] Nargis [5]
May 14 – Myanmar: Feo amin'ny alalan'ny sioka  [6]
May 14 – Myanmar: Misioka ny loza nateraky ny rivo-doza [7]
May 11 – Myanmar: Ireo tafavoaka velona tamin'ny rivo-doza Nargis [8]
May 08 – Myanmar: Asa fanampiana miadana  [9]
May 06 – Myanmar: Fahavoazana nateraky ny rivo-doza tsy mbola nisy toy izany [10]
May 05 – Myanmar: Ny tafio-drivotra lafatra [11]

Eo an-dalam-pivoarana ity pejy ity; hanampy rohy bebe kokoa izahay avy eo.

Sarintany

Lahatsary

Woman, victim of cycloneLahatsary mampihoro-koditra mampiseho olona am-polony maro maty tao anatin'ny rivo-doza, ato [14]. Nametraka ity tafatafa tamin'ny lahatsary [15] ity niaraka tamin'ny sisa velona iray tao amin'ny YouTube (via Birma News) ny Al Jazeera.


Sary


Victims of cyclone Nargis

Avy amin'i Salai Thang ireo sary eo ambony, tsy fantatra ny toerana misy ny sary.

Sary ao amin'ny Flickr, ahitana ny fahavoazana ao Yangon, avy amin'i Luis Rene [16], sy disasteremergencycommittee [17]. Marobe ireo olona nampiditra sary tao amin'ny Picasa, anisan'izany i MaungHla [18], Nay Linn [19], cyclonerelief [20], Salai Thang [21].

Ato [22] ireo sary avy amin'ireo mpiasa mpamonjy voina tamin'ny rivo-doza. Manana bilaogy sy sary ihany koa ny Manampy ho an'ny Taranaka vaovao [23] sy ny Klioba mpanome rà RAVEN [24].

Please Help [25]Fanomezana antserasera

Marobe ireo tranonkala manao fanomezana antserasera, ka anisan'izany ny:

Bilaogy Heart Station [25] mitanisa ireo anarana, adiresy sy tranonkala misy ireo fifandraisana samihafa marobe mandray fanomezana ho an'ny ezaka fanavotana.

Fitantarana manokana hafa

Pejy fitantarana manokana ataon'ny Global Voices tamin'ny Fihetsiketsehana Birmana 2007 [28].