Mamisoa Isabelle Raveloaritiana: Nivady izahay noho ny Global Voices
Dikandahatsoratra
(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Oktobra 2014)
“Nentanim-pitiavana” (rômantika) kely ny fihaonako voalohany tamin’ny Global Voices. Nihaona voalohany tamin’ny Global Voices aho rehefa nandeha tany amin’ny biraon’i Jentilisa, ilay toniandahatsoratra ao amin’ny Global Voices Lingua Malagasy, satria niara-niasa tao amin’ny orinasa iray izahay tamin’izany fotoana izany. Hitako izy namaky sy nanao zavatra teo amin’ny solosainy ary hitako ny teny hoe Global Voices rehefa nijery ny efijerin'ny solosainy aho ary tazako ny lahatsoratra iray nosoratan’i Lova Rakotomalala mitondra ny lohateny hoe : “Mbola manalokaloka ao Gabon sy Maoritania ary Madagasikara ny Frantsafrika” ary tsikaritro fa nadika tamin’ny teny Malagasy ity lahatsoratra ity ary tena nahavariana ahy ny kalitaon’ny teny Malagasy nosoratan’i Jentilisa rehefa namaky ilay lahatsoratra nadika tamin’ny fiteny Malagasy aho. Nahatonga ahy hahatsapa ny maha-kanto sy ny maha-zava-dehibe ny fitenindrazantsika izany satria tsy dia raharahiana firy ny fiteny Malagasy eto amin’ny firenentsika [Madagasikara] satria mampiasa ny teny Frantsay isika matetika any amin’ny ankamaroan'ireo sekoly fanabeazana fototra tsy miankina, mampiasa ny teny Frantsay isika amin’ireo antontan-taratasim-panjakana toy ny Fitsarana, minisitera, ary ny birao-panjakana, sns noho ny maha-zanatany Frantsay ny firenena teo aloha. Nanomboka teo dia nahaliana ahy ny hahafantatra bebe kokoa momba ny Global Voices ary nanontany an’i Jentilisa ny mba hilazany izany amiko aho.
Tamin’ny alalan’ny fanazavany no nahenoko voalohany ny resaka bilaogy na ny bilaogera, ary nahaliana ahy izany ary indrindra ny Global Voices satria tia manoratra aho. Ny manoratra lahatsoratra amin’ny teny Frantsay no mahazatra ahy ao amin’ny diariko satria tsy nanana fifandraisana tamin’ny Aterineto tany an-tranoko aho ary tsy mbola nahalala momba ny fampahalalam-baovaon’olo-tsotra raha tsy tao amin'ny Global Voices. Saingy raha mbola te hanohy ny hamaky ireo lahatsoratra tao amin’ity tranonkala [Global Voices] teo anolan'ny masoko ity aho dia nanontany an’i Jentilisa aho raha afaka hanonta pirinty ireo lahatsoratra mba ho vakiako izy .
Ho valin’izany, nangataka ahy mba ho tonga any an-tranony izy raha te-hamaky lahatsoratra avy amin’ny Global Voices aho, satria nanana fifandraisana amin’ny Aterineto izy tany an-tranony ary mazava ho azy fa nanaiky aho. Nankany an-tranony matetika aho mba hamaky ireo lahatsoratra mahaliana avy amin’ny tranonkalan'ny Global Voices, ary mazava ho azy, fa izany ihany koa no nahafahako namorona ny kaontiko Facebook sy Twitter. Nihamafy ny fifandraisanay nanomboka teo ary nivady izahay ny farany. Nanampy an’i Jentilisa tamin’ny asany aho amin’ny maha-toniandahatsoratry ny Global Voices azy hatramin’ny nahavitan'ny mariazinay. Roa volana taty aoriana, hitany ny fandrosoako tamin’ny fanoratako teny Malagasy ary nanontany ahy izy raha toa ka te-ho mpandika teny ofisialin’ny Global Voices aho. Mazava ho azy, tsy misy tokony handavako ilay fangatahana ary nanaiky izany tamim-pifaliana sy tamim-pahafinaretana aho.“Tunisia: Prime Minister Resigns Following a Bllod Saturday” tamin'ny teny anglisy ary“Tonizia: Nametra-pialana ny praiministra taorian'ny vono-olona ny Asabotsy.” no fandikana lahatsoratra nataoko voalohany. Ary anisan’ireo mpandika teny mavitrika ato amin’ny Global Voices Lingua Malagasy aho hatramin’izao. Eny, mandika teny amim-pitiavana sy amim-pahafinaretana aho satria tsy vitan’ny hoe ahafahan'ny Malagasy manaraka ny vaovao iraisam-pirenena ihany izany fa indrindra indrindra manasongadina ny hatsaran’ny fitenintsika.
Niova ny ampahany tamin’ny fiainako hatramin’ny nidirako tato amin’ny vondrom-piarahamonina. Noho ny Global Voices no nahitako ny maha-zava-dehibe ny fahalalahana maneho hevitra, ny fizarana hevitra, izay nanosika sy nandrisika ahy hamorona ny bilaogiko amin’ny teny Frantsay sy Anglisy ary amin’ny teny Malagasy ; nahitako ny sila-panahiko : tsapako ny maha-zava-dehibe ny fiarovana, ny fampiasana, ny famelomana aina ny tenindrazantsika ary ireo zavatra maro hafa mahatalanjona ihany koa. Eny, tena mahatalanjona tokoa ny Global Voices, karazana fitahiana ho ahy izany ary iray tamin’ireo zavatra niainako nahafa-po ahy indrindra teo amin’ny fiainako. Tena mirehareha aho amin’ny maha-mpikambana ahy ao anatin'izany. Mirary taona zina maro kokoa ho an’ny vondrom-piarahamonina sy ireo mpikambana ao aminy aho.
Ny Blaogim-Piarahamonina Global Voices dia sehatra ho an-ny mpikambana ato aminay hifampizarana ala hamohamo, tantara manokana. Natao ihany koa hieritreretana ny asa iarahana, hifampizarana hevitra sy fijery amin'ny sehatra misy anay. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Ny Blaogim-Piarahamonina Global Voices dia sehatra ho an-ny mpikambana ato aminay hifampizarana ala hamohamo, tantara manokana. Natao ihany koa hieritreretana ny asa iarahana, hifampizarana hevitra sy fijery amin'ny sehatra misy anay. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...