Voampanga ho nikomy ny filoha lefitr'i Filipina sy ireo hafa mpitsikera an'i Duterte

Kandidà ho loholona avy amin'ny firaisan'ny mpanohitra miaraka amin'ny filoha lefitra Leni Robredo (afovoany, manao volomparasy) nandritra ny vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra tamin'ny volana Aprily 2019. Ankoatra ny Senatera teo aloha Mar Roxas (faharoa avy any ankavia, manao manga), voampangan'ny polisin'i Filipina ho manao fikomiana ny olona rehetra ao amin'ity sary ity . Sary avy amin'ny pejy Facebook an'i Otso Diretso. 

Nametraka fitoriana fikomiana sy fiampangana hafa hamelezana ny filoha lefitra Leni Robredo sy olona 35 hafa ny polisin'i Filipina, fiampangana izay misy ifandraisany amin'ny famoahana horonan-tsary antserasera manendrikendrika ny fianakavian'ny filoham-pirenena Rodrigo Duterte ho manana fifandraisana amin'ny hetsika fanondranana rongony tsy ara-dalàna. Raisin'ny maro ho toy ny ezaky ny governemanta hanampim-bava ny feo manohitra ity hetsika ity.

Fikomiana, fanalam-baraka amin'ny aterineto, fanalam-baraka, ny estafa, fampiantranoana jiolahy sy fanohintohinana ny fitsarana no fiampangana napetraky ny Vondron'ny polisim-pirenena Filipiana misahana ny Fanadihadiana sy famantarana heloka bevava (PNP-CIDG amin'ny teny Anglisy). Ahitana ireo senatera roa am-perinasa avy amin'ny mpanohitra, senatera roa teo aloha, ary eveka katôlika ambony efatra ireo olona malaza voampanga niaraka tamin'i Robredo. Mpikambana ao amin'ny mpanohitra ara-politika i Robredo.

Efa naneho ny ahiahian'izy ireo hatrany momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ny herim-panjakana amin'ny fampiharana ny “ady amin'ny zava-mahadomelina” malaza napetrak'i Duterte daholo ireo rehetra voampanga.

An'arivony maro no maty novonoin'ny polisy nandritra ny hetsika ady amin'ny rongony hatramin'ny nandraisan'i Duterte ny toerany ho filoham-pirenena tamin'ny taona 2016. Milaza ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona fa efa nihoatra ny 20.000 sahady ny isan'ireo vono olona, ​​saingy manizingizina kosa ny polisy fa eo anelanelan'ny 4000 hatramin'ny 6000 ny isan'ny maty. Mitaky ny hanaovana fanadihadiana ofisialy ataon'ny Firenena Mikambana mikasika ireo fahafatesana mifandraika amin'ny zava-mahadomelina sy ireo tranga hafa amin'ny famonoana olona ivelan'ny fitsarana any Filipina ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Filankevitry ny Firenena Mikambana momba ny Zon'Olombelona tamin'ny 11 Jolay 2019.

“Lahatsary mampikomy”

Niainga avy amin'ny andian-dahatsary an-tserasera ahitana fizarana miisa enina tamin'ny Aprily 2019 izay miampanga ny fianakavian'i Duterte ho voarohirohy ho miaraka amin'ny sendikàn'ny mpanao heloka bevava amin'ny zava-mahadomelina  ny raharaha iampangana an'i Robredo sy ny namany.

Nivoaka ary nampahafantatra ny tenany taty aoriana i ‘Bikoy’ ilay mpanao ampamoaka tao amin'ny lahatsary hoe Peter Joemel Advincula no anarany. Nampangain'ny polisy izy ho tsy atokisana.

Rehefa tsy hita nandritra ny andro maromaro, dia niseho tamin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety niaraka tamin'ny polisy i Bikoy ary nanambara fa anisan'ireo teti-dratsy hanakorontanana ny governemantan'i Duterte ireo andiana horonantsary. Nilaza izy fa nirotsaka tamin'ny famokarana ilay lahatsary i Robredo sy ireo mpitarika mpanohitra hafa ary niray tsikombakomba tamin'ny fanaratsiana sy fanesorana an'i Duterte amin'ny sezany.

Tsy hita tao amin'ny lahatsary i Robredo sy ny voampanga hafa, tsy nanohana ampahibemaso an'ireo andiana lahatsary koa izy ireo.

“Fanorisorenena tsotsotra izao sy mazava”

Nilaza ny biraon'i Robredo fa “tsy misy fototra ary tsy misy zavatra hafa ankoatra ny fanorisorenana tsotsotra izao sy mazava ny raharahan'ny polisy “

Senatora Leila de Lima, iray amin'ireo voampanga, niantso ny fanadihadian'ny polisy ho “fanadiovan-kisoa tsotra izao”. Nihevitra ireo mpitarika hafa avy amin'ny mpanohitra fa napetraka andro vitsivitsy alohan'ny kabarin'i Duterte fahaefatra momba ny toetry ny firenena ny raharaha mba hanodinana ny sain'ny olona amin'ny olana hafa mahaliana, toy ny famonoana olona mifandraika amin'ny zava-mahadomelina, ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona any ambanivohitra, ny fitomboan'ny tsy fisian'ny asa, ary ny tsy fandraisan'i Duterte  andraikitra manoloana ny fananganan'i Shina tafika miaramila ao amin'ny Ranomasin'i Filipina Andrefana (Ranomasina Atsimon'i Shina).

Ny eveka Pablo Virgilio David, iray amin'ireo voampanga ihany koa, no nilaza tamin'ny media fa natao hampitahorana ireo mpitsikera ny governemanta ny hetsika nataon'ireo polisy :

The intention is obvious: pure harassment and an effort on the part of the PNP [police] to do, not their sworn duty, but what they think will be pleasing to the higher authorities.

Miharihary ny fikasana: fanorisorenana madiodio sy ezaka ataon'ny PNP [polisy] hanao izany, fa tsy manao ny adidiny nanaovana fianianana, fa ny eritreritr'izy ireo dia ny hampifaly ireo manampahefana ambony.

Tamin'ny fanambarana notandremana tsara, nanamarika ny fahamarinan'ireo eveka voampanga ho nandray anjara tamin'ny tetidratsy fikomiana ny arsevekan'i Davao, Romulo Valles, izay filohan'ny Kaonferansa Episkôpaly katolika manana ny tarany ao Filipina ihany koa:

They may be perceived as very vocal and very critical in their pronouncements. But that they consciously worked promoting seditious activities and other related crimes, these honestly I cannot believe. These are individuals whose love for country and dedication for the welfare of our people I cannot doubt.

Mety ho hita fa tena miloa-bava sy be fanakianana tokoa izy ireo amin'ny fanambaràny. Saingy am-pahatsorana, tsy mino aho hoe niasa tamim-pahafantarana tamin'ny fampiroboroboana ny hetsika fikomiana sy heloka hafa mifandraika amin'izany izy ireo. Tsy isalasalana fa olona tia firenena sy manolo-tena ho an'ny mahasoa ny vahoaka izy ireo.

Namoaka fanambarana niaro ireo mpisolovava mpiaro ny zon'olombelona izay tafiditra tao anatin'ny taratasy fiampangana ny Vondrona Fanampiana Ara-pitsarana Maimaimpoana:

The charges are not only baseless, they are meant to silence and persecute human rights lawyers, opposition leaders, and the church, and to send a message to anyone who dares to criticize this administration.

The charges filed by the CIDG are designed to intimidate, harass and interfere with our lawyers, who are just doing their jobs as human rights defenders.

Tsy vitany hoe tsy misy fototra ny fiampangana azy ireo, fa natao hanampenam-bava sy hanenjehana ireo mpisolovava mpiaro ny zon'olombelona, ​​ireo mpitarika ny mpanohitra, ary ny fiangonana, ary mba handefasana hafatra ho an'ireo izay sahy mitsikera ity fitondrana ity.

Ny fiampangana napetraky ny CIDG dia natao hampitahorana, hanorisorenana sy hanelingelinana ireo mpisolovavantsika, izay manao ny asany fotsiny amin'ny maha-mpiaro ny zon'olombelona.

Tao anatin'izay telo taona lasa izay, ahitana mpanao gazety, mpanao politika mpanohitra, mpikatroka sy misiônera ara-pivavahana ireo mpitsikera izay niatrika fitsarana heloka bevava .

Nilaza ny minisitry ny fitsarana, Menardo Guevarra fa hanara-maso ny dingana tokony arahana sy hanao fanadihadiana mialoha amin'ny fitoriana napetraky ny polisy ny birao ao aminy.

I have said this before and I will say it again. The DOJ [Department of Justice] is not a weapon for oppression or persecution. We shall go only by the evidence presented before us and we don't care who gets indicted and who goes scot-free.

Efa niteny izany aho taloha ary hilaza izany indray. Ny DOJ [Departemantan'ny Fitsarana] dia tsy fitaovam-piadiana famoretana na fanenjehana. Tsy maintsy mandeha amin'ny alalan'ny porofo aseho manoloana anay izahay ary tsy miraharaha hoe iza no voaheloka sy afaka.

Nilaza ny mpitondratenin'i Duterte fa tsy nandray anjara tamin'ny raharaha (fitoriana) napetraky ny polisy ny biraon'ny filoha.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.