- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ireo mpitantana ny GV

Sokajy: Mediam-bahoaka

Ny ekipa fitantanana ato aminay no tompon'andraikitra amin'ny fitantanana isan'andro sy fijerena ny paikadin'ny Global Voices. Raha te hihaona amin'ireo ekipa mpandray anjara an-tsitrapo manerantany, tsindrio eto [1].

[toc class='alignnone’]

Ekipa atidoha

Fitantanana Matoandahatsoratra

Tetikasa manokana

Outreach

Tonian'ny Efipanoratana

Miara-miasa amin'ny toniam-paritra sy mpanoratra mato ny Tonia hiantohana fa marina tokoa ny zava-boasoratra ary mora azon'ny mpihaino manerantany.

Toniam-paritra amin'ny efi-panoratana

Ny toniam-paritra no mitantana sy manitsy ireo tantara avy amin'ny ekipam-panoratana isa-paritra sy araka ny fiteny.

Ny ekipa Lingua

Ny ekipa Lingua ato aminay indray dia voarafitr'ireo mpitantana fandikanteny sy ireo mpandray anjara GV izay manampy amin'ny fampandehanana ny Lingua [29]. Lingua no anoloaranay ny GV ho amin'ny fiteny ampolony [30] ho an'ireo mpamaky manerantany samy manana ny fiteniny.

Mpanorina

Niaraha-anorina ny Global Voices tamin'ny taona 2005, ary Rebecca MacKinnon sy Ethan Zuckerman, izay mbola mitoetra ho mpikambana ato amin'ny vondrom-piarahamonina sy manompo ao amin'ny filankevi-pitantanan'ny Stichting Global Voices ireo mpiara-manorina ireo.

Raha tianao ny ho mpanoratra, miangavy mba fenoy ity fangatahana ity [69]. Raha tianao indray ny hanatevin-daharana ny ezaka fandikanteny ataonay dia ity fangataham-pifandraisana ity [70] indray ampiasaina.