- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fifidianana Zimbaboe 2008

Sokajy: Mediam-bahoaka

Mugabe election poster [1]

Nandatsa-bato ny Zimbaboenana tamin'ny 29 martsa 2008 hifidy ny filoham-pirenena sy ireo handrafitra ny parlemanta [2]. Andro vitsy taty aoriana, mbola tsy nambara ny vokatra ofisialy. Nanambara ny fandreseny i Morgan Tsvangirai [3] lehiben'ny mpanohitra MDF, manoloana ireo mpifaninana aminy toa an'i Simba Makoni [4] sy ny mpitondra Robert Mugabe [5] tamin'izany fotoana izany avy ao amin'ny Zanu (PF) [6], saingy mety tsy hiova tanana tsy misy fifandonana ny fahefana.

Tokotany ambadika

Avy amin'i openDemocracy: tantara tsangana tsy vita ao Zimbabwe [7]
Vakio ny lohatenim-baovao farany avy amin'ny The Zimbabwean [8]

Fifidianana filoham-pirenena Zimbaboe avy amin'ny Global Voices

May 06 – Zimbabwe: Using New Technologies to Fight for Democracy [9]
Apr 26 – Zimbabwe: Post-election violence on the rise [10]
Apr 23 – Shina : Tohanan'ireo mponin'ny Aterineto Shinoa ny varotra fitaovam-piadiana hoan'i Zimbaboe [mg] [11]
Apr 21 – South Africa: The Praise and Fall of Thabo Mbeki [12]
Apr 21 – Malawian Bloggers Discuss The Zimbabwe Crisis [13]
Apr 05 – Zimbabwe: Anyone know someone with a truck? [14]
Apr 05 – Isiraely : Orinasa isiraeliana mivoatra endrikendrehina fa mangala-bato any Zimbabwe [mg] [15]
Apr 01 – What more must Zimbabweans do? [16]
Mar 30 – Zimbabwe: Harare is tense after Tsvangirai claims victory [17]
Feb 18 – Zimbabwe: Is Dr. Simba Makoni a puppet? [18]

Raha manana soso-kevitra momba ny lahatsoratra tokony horohizina isika, na raha blaogera ianao ary te hanolo-tena hanoratra ho an'ny Global Voices, dia alefaso any amin'ny tonian-dahatsoratra Afrika atsimon'i Sahara izany.

Lahatsary

Ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona, Solidarity Peace Trust [19] (voasoratra ao Afrika Atsimo), no nizara ity horonantsary momba ny herisetra mahatsiravina nataon'ny tafi-panjakana ZANU PF Zimbabwe hatramin'ny nisian'ny fifidianana tamin'ny Martsa 2008 ity. (avy amin'ny mpiblaogy Cry Beloved Zimbabwe [20])

Manana Fantsina YouTube [21] ny vondrona Zimbabweana pro-demaokrasia Sokwanele ary manana ity fanentanana an-dahatsary ity:

Sary

Mety ho hita ao amin'ny fahana Flickr [22] avy amin'ny vondrona Sokwanele [23] pro-demaokrasia ny sarin'ny fihetsiketseham-panoherana ampolony [24] sy sarin'ny fiainana andavanandro ihany koa. Misy ihany koa ireo sasany mampihoron-koditra sy manohina fampijaliana ireo niharany [25].

Free Zimbabwe
Graffiti Free Zim grafitti ao Le Cap, Afrika Atsimo

Koa satria moa nandeha nandatsabato ny Zimbabweana tamin'ny 29 marsa 2008, nisy ekipam-paka sary avy amin'ny tranonkala Ngizwane-Ndinzwei [26] nandrakitra ny zava-nitranga raha mbola tsy tapitra izany.

Zimabwe in photos [27]

Hajian-tsary amin'ny tampon'ity pejy ity avy amin'ny mpisera Flickr frontlineblogger [28].