Fifidianana Zimbaboe 2008

Mugabe election poster

Nandatsa-bato ny Zimbaboenana tamin'ny 29 martsa 2008 hifidy ny filoham-pirenena sy ireo handrafitra ny parlemanta. Andro vitsy taty aoriana, mbola tsy nambara ny vokatra ofisialy. Nanambara ny fandreseny i Morgan Tsvangirai lehiben'ny mpanohitra MDF, manoloana ireo mpifaninana aminy toa an'i Simba Makoni sy ny mpitondra Robert Mugabe tamin'izany fotoana izany avy ao amin'ny Zanu (PF), saingy mety tsy hiova tanana tsy misy fifandonana ny fahefana.

Tokotany ambadika

Avy amin'i openDemocracy: tantara tsangana tsy vita ao Zimbabwe
Vakio ny lohatenim-baovao farany avy amin'ny The Zimbabwean

Fifidianana filoham-pirenena Zimbaboe avy amin'ny Global Voices

May 06 – Zimbabwe: Using New Technologies to Fight for Democracy
Apr 26 – Zimbabwe: Post-election violence on the rise
Apr 23 – Shina : Tohanan'ireo mponin'ny Aterineto Shinoa ny varotra fitaovam-piadiana hoan'i Zimbaboe [mg]
Apr 21 – South Africa: The Praise and Fall of Thabo Mbeki
Apr 21 – Malawian Bloggers Discuss The Zimbabwe Crisis
Apr 05 – Zimbabwe: Anyone know someone with a truck?
Apr 05 – Isiraely : Orinasa isiraeliana mivoatra endrikendrehina fa mangala-bato any Zimbabwe [mg]
Apr 01 – What more must Zimbabweans do?
Mar 30 – Zimbabwe: Harare is tense after Tsvangirai claims victory
Feb 18 – Zimbabwe: Is Dr. Simba Makoni a puppet?

Raha manana soso-kevitra momba ny lahatsoratra tokony horohizina isika, na raha blaogera ianao ary te hanolo-tena hanoratra ho an'ny Global Voices, dia alefaso any amin'ny tonian-dahatsoratra Afrika atsimon'i Sahara izany.

Lahatsary

Ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona, Solidarity Peace Trust (voasoratra ao Afrika Atsimo), no nizara ity horonantsary momba ny herisetra mahatsiravina nataon'ny tafi-panjakana ZANU PF Zimbabwe hatramin'ny nisian'ny fifidianana tamin'ny Martsa 2008 ity. (avy amin'ny mpiblaogy Cry Beloved Zimbabwe)

Manana Fantsina YouTube ny vondrona Zimbabweana pro-demaokrasia Sokwanele ary manana ity fanentanana an-dahatsary ity:

Sary

Mety ho hita ao amin'ny fahana Flickr avy amin'ny vondrona Sokwanele pro-demaokrasia ny sarin'ny fihetsiketseham-panoherana ampolony sy sarin'ny fiainana andavanandro ihany koa. Misy ihany koa ireo sasany mampihoron-koditra sy manohina fampijaliana ireo niharany.

Free Zimbabwe
Graffiti Free Zim grafitti ao Le Cap, Afrika Atsimo

Koa satria moa nandeha nandatsabato ny Zimbabweana tamin'ny 29 marsa 2008, nisy ekipam-paka sary avy amin'ny tranonkala Ngizwane-Ndinzwei nandrakitra ny zava-nitranga raha mbola tsy tapitra izany.

Zimabwe in photos

Hajian-tsary amin'ny tampon'ity pejy ity avy amin'ny mpisera Flickr frontlineblogger.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.