Mandeha an-tongotra amin'ny araben'i Japan ao amin'ny YouTube miaraka amin'i Rambalac

Raha mba te-hanavatsava ny araben'i Japan avy amin'ny fijerin'ny mpandeha an-tongotra iray ianao, dia mety tsara aminao ny vilaogera YouTube Rambalac. Mponina ao Japana i Rambalac fa tsy Japoney, namoaka lahatsary am-polony noraiketina nandritra ny fandehanana an-tongotra manerana ny faritr'i Tokyo sy ny faritra hafa ao Japana ihany koa.

Efa mihoatra ny 1,8 tapitrisa amin'izao fotoana izao ny jeripejin'ny lahatsariny malaza indrindra mitondra ny lohateny hoe , ‘An-tongotra ao Shibuya Tokyo amin'ny alina':

“Tsy “vlog”, tsy endrika manelingelina na miresaka, Japan madiorano,” hoy ny nambaran'i Rambalac ho teny fampidirana amin'ny lahatsariny rehetra. Mandeha an-tongotra amin'ny araben'i Japana mandrakitra lahatsary amin'ny fakantsary mirrorless (tsy misy fitaratra) Panasonic Lumix GH5 natao ambonin'ny Zhiyun Crane V2 gimbal stabilzer fotsiny izy. Tsy misy hira atao ambadika ary tsy misy fanehoan-kevitra, nefa indraindray i Rambalac hangataka alalana amin'ny (olona resahiny) ahafahany mandrakitra horonantsary.

Ao amin'ny kaontiny Patreon, miteny i Rambalac:

I started filming my walks just for fun and additional reason to go outside. I do not talk, except to people in front of me, or show my face, I prefer minimum editing and no sound effects. Somehow videos got popular, more popular than I expected. Recently I even started streaming that walks for real time feedback trying to make videos better.

Ho fanalana andro sy ho antony fanampiny hivoahako ny trano fotsiny no nanombohako nandraketako horonantsary ny fandehandehanako an-tongotra. Tsy miresaka aho raha tsy amin'ny olona eo anoloako, na mampiseho ny endriko, Tiako kokoa ny manakely ny fanitsiana ary tsy manatsara feo. Nefa lasa malaza ireo lahatsary, malaza kokoa noho ny nantenaiko. Vao haingana ary aho no nanomboka mandefa mivantana antserasera ny diako hahazoana domberina eo noho eo mba hahatsara kokoa ny lahatsary.

Na dia asongadin'i Rambalac aza ny lahatsary amin'ny dia an-tongotra ao Tokyo, dia mandeha any amin'ny faritra hafa ao Japan ihany koa izy. Eto izy izao nandray ny dia an-tongotra fanombohan'ny mihintsan-dravina manavatsava an'i Gion, distrika iray ara-pizahantany sy ara-kolontsaina amin'ny ilany atsinanan'i Kyoto:

Eto indray i Rambalac nivoaka ny tanàna ka hanavatsava an'i Amanohashidate, iray amin'ny “talaky imaso telo” (hamantarana an'i) Japana any ambanivohitra, faritra lavidavitra amin'ny prefektioran'i Kyoto:

Anisan'ny lahatsary malaza indrindra an'i Rambalac ihany koa ny fandehandehanana manavatsava ny lalan'ny mpandeha an-tongotra ao Tokyo amin'ny alina mandritra ny andro manorana, sy ny dia an-tongotra manavatsava an'i Akihabara distrika feno fivarotana elekitronika sy fialamboly ao Tokyo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.