- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fitantarana manokana 2010: Fihazam-baovao toekarena manerantany

Sokajy: Mediam-bahoaka

Join the global economy news hunt! [1]Nanomboka ny 19-25 Aprily 2010, nandray anjara tamin'ny “fihazam-baovao” [2] tao amin'ny tranonkala NewsTrust ny ekipan'ny bilaogera ato amin'ny Global Voices izay nanaovan'ny mpikambana “jery todika” ny lahatsoratra avy amin'ny gazety sy bilaogy mba hanampiana amin'ny fampiroboroboana ny filazam-baovao nomerika sy ny asa fanaovan-gazety tsara.

Nahitana ny Link TV [3] sy ny Youth Noise [4] ny mpiara-miasa hafa ary ao koa ny Sekoly Ambony Iraisam-pirenena any San Francisco [5] sy ny Akademian'ny Haihain'ny Fitarihana any Philadelphia [6] ihany koa. Nantevin-daharana avokoa izahay tamin'ny alàlan'ny fandefasana rohy mankany amin'ireo tantara avy amin'ny firenena samihafa ary nanao jery todika azy ireny.

Ahoana àry no ataon'ireo olona hiadiana amin'ny krizy ara-toekarena manerantany ? Ary ahoana no fomba hitantaran'ireo mpanao gazety sy bilaogera io tantara io?

Azo natao ny nanatevin-daharana ny Fihazam-baovao momba ny Toekarena manerantany nivoaka isa-kerinandro ity sy nanampy tamin'ny fitantarana tsara indrindra (sy ny ratsy indrindra) momba ity lohahevitra ity. Manana torolàlana mahasoa momba ny fomba fanaovana jery todika ny tantara [7] ihany koa ny News Trust .