- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fitantarana manokana 2010: Resadresaka ho amin'ny tontolo tsara kokoa

Sokajy: Mediam-bahoaka

Conversations for a Better World [1]

Naka ireo bilaogera ato amin'ny Global Voices hanampy azy ireo hanasongadina ny resaka an-tserasera momba ny vahoaka sy ny fampandrosoana manerana izao tontolo izao ny bilaogy vaovao iray notohanan'ny United Nations Population Fund (UNFPA) antsoina hoe Conversations for a Better World [2] na Resadresaka ho amin'ny Tontolo Tsara Kokoa [2] raha adika amin'ny teny malagasy.

Bilaogera ampolony tato amin'ny Global Voices farafahakeliny no nizara tantara avy amin'ny tontolon'ny bilaoginy [1] momba ny tontolo iainana sy ny fiovaovan'ny toetrandro, ny tanora sy ny fananahana, ny maha-reny, ny zon'ny vehivavy ara-pananahana ary ny maro hafa nandritra ny enim-bolana tao amin'ny Resadresaka ho amin'ny Tontolo Tsara kokoa.

Tsidiho azafady ny pejin'ny fitantarana manokana momba ny Resadresaka ho an'ny Tontolo Tsara kokoa [1] raha hijery ny lisitry ny tantara feno .

Mikasika ny Global Voices + Resadresaka ho an'ny Tontolo Tsara Kokoa [3]