- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanavaozana ny fango RisingVoices

Sokajy: Blaogim-Piarahamonina GV

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Septambra 2014)

Original RV logo. Gill sans text, adinkra rising over horizon icon.

Fango RV niandohana. Gill tsy misy soratra, adinkra [1] miakatra ery amin'ny faravodilanitra.

Miasa miketrika marika/fango iray vaovao ho an'ny Rising Voices aho. Ilay fango tranainy, na tsara aza, dia efa manomboka ilaozan'ny toetrandro, sady noho ilay aloka malefaka eo aminy sy ny fifangarihan'ny loko mainty sy volomboasary, tsy dia nety nifanaraka tsara tamin'ny ankamaroan'ireo lafika.

Raha sady irianay ny hampiasa karazany avy amin'ilay fango tranainy (adinkra amantarana [2] ny GV miakatra ery amin'ny faravodilanitra toy ny masoandro), dia tianay ihany koa ny hitrandraka zotra vaovao tanteraka mba hahitàna raha toa misy tsaratsara kokoa ho an'ny maso ka afaka mandeha samirery.

Ireo karazana sary famantarana notsongaina tao amin'ilay Noun Project [3], loharano goavana raha resaka sary famantarana ampiasàna lisansa malalaka arahana zaraasa fikarohana mitondra ho amina fieritreretana iray manome anao vokatra mahaliana rehefa mikaroka ny toy ny hoe “community” sy “help“.

Ity ny fanombohana tsotra nampiasàna ny Etica, endritsoratra mahafinaritra avy amin'ny tranonkala GV nasiana fanavaozana sy sary famantarana iray nofisahana:

Etica font, classic adinkra icon.

Endritsoratra Etica , sary famantarana adinkra tsotra.

Manaraka, endritsoratra toy ny teo ihany, saingy nasiana tànana misandratra fa tsy adinkra kosa. Tsotra ho an'ny maso sady matanjaka ilay izy, saingy moa ve ilay tànana mahatafita ny hafatra momba izay iraka tontosain'ny Rising Voices?

Etica font, single hand icon

Endritsoratra Etica , sarin-tànana ho famantarana.

Karazany iray ahitàna tànana vitsivitsy miaraka misandratra. Heveriko fa ity no tsaratsara kokoa ho an'ny Rising Voices noho ny hoe tànana tokana monja. Tsy misy hafa amin'ilay fangon'ny Voices Without Votes [4] fahiny, nefa tsy voatery ho zavatra ratsy an!

Etica font, rising hands icon.

Endritsoratra Etica, sarin-tànana ho famantarana.

Ity dika iray ity mety hampiseho tànana “miasa miaraka” fa tsy tànana misandratra fotsiny sy mikatsaka ny hisarika ny saina fotsiny. Heverinareo ve fa mety hahasarika ny maso izy io, ary koa mahalaza hevitra an'ohatra?

Etica font, cycle of helping hans icon.

Endritsoratra Etica, sarin-tànana mifanampy manao faribolana.

Karazany Endritsoratra: Etica, Helvetica Neue, Open Sans

Izao indray dia karazana ednritsoratra vitsititsy nampiasàna fango tsotsotra. Misy iray mety hifanaraka kokoa amin'ny Rising Voices ve?

Helvetica Neue font, classic adinkra icon.

Endritsoratra Helvetica Neue , sary famantarana adinkra tsotsotra.

 

Open Sans font, classic adinkra icon.

Endritsoratra Open Sans, sary famantarana adinkra tsotsotra.