Sarahan'ny toetany sy ny politika, fa atambatry ny GV!

Paula-and-Subha

Miaraka amin'i Paula tao amin'ny Barbican Centre nandritra ny Wikimania London. Sary natolotr'i: Viswanathan Prabhakaran, CC-by-SA 3.0

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2014)

Tato anatin'ny 4 taona farany niainan'ny tena  manokana sy 3 taona niainana tamin'ny sehatry ny asa tao amin'ny Open Source, dia tena nahafinaritra tsotra izao ny niarahana niasa tamina vondrom-piarahamonina marobe. Nahatsapa mandrakariva ho toy ny zaza bodo aho saingy liana rehefa sady mahazo torohevitra no mahazo fanakianana sy tànana marobe manampy ao anatin'ny fotoana ilànao azy. Efa mpamaky tsy tapaka ny GV aho tany aloha, ary nitady fanampiana mba hizaràna ireo vaovao momba ireo fanolorana votoaty maro dia maro ampiasàna lisansa Creative Commons avy ao India. Tamin'izay fotoana izay no nieritreretako ny hanoratra fa tsy ho mpamaky fotsiny intsony ireo votoaty izay amin'ny ankapobeny dia mivilana tsy mifanaraka amin'izay niandohany, hita teny anatin'ireo fampahalalambaovao ho an'ny daholobe. Nefa naniry aho ny ho afaka hitondra anjara biriky ety anaty aterineto, ary amin'ny tenindreniko Odia. Mbola tsaroako hatreto ilay tsipika maneho ireo fiteny isankarazany tery an-tendron'ireo pejy Global Voices. Tamin'ny fomba nahagaga, fiteny indiàna 3 ihany no hitako: Bangla, Hindi ary Urdu. Nanomboka nanontany tena aho momba ny antony tsy maha-ao ny Odia. Avy hatrany aho dia nisoratra anarana ho mpanoratra na dia tsy nahalàla na inona na inona momba ny fametrahana lingua vaovao tao aza. Rezwan, mpiahy ahy amin'izao fotoana izao no namaly ahy afaka andro vitsivitsy taorian'izay, niarahaba ahy noho ilay fisoratako anarana ho isan'ny mpanoratra. Mbola maha-toran'ny hehy ahy ihany ny nahalalàna ny fomba nahatongavanao ho amina toerana tsara iray nefa tsy nahay na inona na inona. Nisaotra tena aho noho io hadisoana kely io, dia ny nifandraisako taminy voalohany indrindra.

Rehefa naneho ny fahalinako amin'ny fiteny Odia aho dia nampifandraisiny tamin'i Paula sy Gohary. Tamin'ny resaka Skype voalohany nifanaovanay, toy ireny mipetraka sy miresaka miaraka amin'ireo namako akaiky indrindra ireny aho. Iray amin'ireo fahatsiarovako tsara indrindra nananako nandritra ireo andro niainako tao amin'ny Open Source io. Tsy ilaina akory ny milaza hoe isan'ny iray tamin'ireo tetikasa Lingua 4 vaovao tamin'ity taona ity ny Odia. Rehefa naka toerana aho ary nieritreritra momba ireo olona 3 tsy mampino ireo, izay mbola vaovao tanteraka tamiko fotoana vitsy lasa izay, ary ankehitriny lasa namana akaiky, rohy mahafinaritra iray banga hatrizay no hitako.

Ny tanindrazana niaviako dia Odisha avy amin'lay fanjakana fahiny Kalinga izay mifamatotra bebe kokoa amin'ireo fanjakana aziatika atsimo, atsinanana ary afovoany, Eoropa, ary Amerika Atsimo. Mbola manana zavatra marobe iraisana izahay any amin'ireny toerana ireny. Zava-mahaliana, samy avy amin'ny faritra atsinanan'i Kalinga izaho sy Rezwan,  i Paula sy Gohary indray avy amin'ny faritra roa hafa misy ifamatoran'ireo razambenay akaiky. Raha tsy noho ny Global Voices, tsy ho nifandray izahay. Tany aloha tany dia nifamatotra akaiky tamin'ny lasa, avy eo nozarazarain'ny toetany sy ireo hetsika politika, ankehitriny dia nampiraisin'ny Global Voices indray izahay. Ao anatin'ity dingana manokana nataon'ny tena amin'ny fahalalàna ifandrimbonana ity, io no zavatra tsara indrindra nitranga nefa tsy nampoizina!

Nanam-bintana aho nihaona tamin'i Paula sy Takashi nandritra ny Wikimania London, sy Gvers maro hafa: niresaka nivantana tamin'i Sara, Tarek, Ellery ary Marietta nandritra ny Open Knowledge Festival tao Berlin. Toa tsapa ho mampahery kokoa ny finoana hoe manana namana anaty vondrom-piarahamonina manerana izao tontolo izao aho ary betsaka amin'izy ireny no GVers. Zavatra bitika kely monja no nanombohan'izany rehetra izany!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.