5 taona niarahana tamin'ny GV

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2014)

Where is Juan?

5 taona!! Oaaay!! Vao avy nitsikilo ny mombamomba ahy mihitsy aho io !!! Teo foana aho izany nandritra ireo antsasaky ny taona nisian'ny GV… Lahatsoratra iray nosoratan'i Diego Casaes, miresaka fanavakavahana ao Brezila, no fandikàna voalohany nataoko, Des blogueurs échangent sur le racisme dans leur pays (Oktobra 2009) .

Toa nety ery izany ho ahy: miresaka momba ny homamiadan'ity tontolo ity avy amin'ny fomba fijerin'ny Breziliàna iray. Aleo aloha faritantsika voalohany indrindra, ary mba hahatakarana tsara izay ho tohiny, fa manana fifandraisana mahafinaritra sy efa hatry ny ela amin'io firenena io aho, fahalinana izay naharitra efa ho 40 taona be izao (40?). Ny dingana voalohany nataoko niaraka tamin'ny GV dia tena natosik'io fahalinana io: hijanona hifandray, hanaraka akaiky ireo vaovao sy hampihatra ny teny Portiogey nianarako (ah, tena tsy ampoizina mihitsy ary mampanenina ahy, Frantsay aho, ka araka izany raha tsy mbola voamarikao, mila mampihatra ny teny anglisy koa aho !!).

Nanomboka nifanakalo imailaka tamin'i Claire sy Sizanne aho, samy toniandahatsoratry ny ekipa frantsay ry zareo, niaraka tamin'ny fepetra hentitra hoe “ny fandraisako anjara dia ho izay mifandray amin'i Brezila ihany, tsy misy fangarony, indraindray mitsaingoka kely amin'ireo firenena mampiasa sy miteny Portiogey”. Tsiky mampitony no navaliny ahy (Eny ! Tsaroako ny nahita izay tao anatin'ny imailaka nalefanao, Claire) hoe “fa mazava loatra” sy ny hoe “Izay tianao no ataovy”.

Avy eo aho nahatsapa ho maivamaivana handray anjara ao anatin'ny GV araka ny fahafahako sy izay hetahetako: Ady amin'ny fanavakavahana, ho an'ny zon'ireo LGBT, mba hisian'ny politika andraisan'ny rehetra anjara misimisy kokoa, ary fomba fijey manaraka vaninandro ananan'i Eorôpa momba an'i Brezila. Mba hanajanonana (amin'ny farany!!) ireo fitsaratsarampoana nilazàna fa ao Brezila, mandihy ny olona rehetra, fetibe isanandro vaky, ary eo anelanelanà fandihizana Samba roa dia milalao baolina eny an-torapasika ry zareo, alohan'ny handehanany hamolavola indray ny ravimbodiny any  Pitanguy!!! Tiako ireo mpiray tanindrazana amiko mba hanana fomba fijery hafa!!

Tsikelikely, avy eo nisosa ny diako tao anatin'ny vondron'ny GV amin'ny fiteny portiogey (manana karatra maro aho) izay nahafahako nandika avy hatrany tamin'ny portiogey ireo lahatsoratra nahaliana ary teo anoloan'ireo hafa mpirotsaka an-tsitrapo. Toa nivoaka nampahafantatra ny lahatsorat'O’ ireo mpandika mpiray tanidrazana amiko, avy eo nanjavona tsy hita (ny sasany niaraka tamin'ny lolompo, izay tsy takatro mihitsy ny antony tetsy andaniny!!)…

Fa tsy mbola nanoratra lahatsoratra mihitsy ho an'ny GV aho. Tany am-piandohana, satria tsy nipetraka tany Brezila intsony ary satria, rehefa jerena, ny olona tsara toerana afaka hiresaka momba ilay firenena dia ry zareo Breziliana ihany izay tsy izaho, aleo jerentsika raha manaraka ahy tsara ianareo. Saingy iza no mahalàla raha indray andro any aho ho lasa Breziliàna?? (hihihi,  izy ity ve momba ny hoe “tsy nanoratra lahatsoratra mihitsy” sa “ny tsy maha-Breziliàna” e ???)

Na izany aza, tiako ihany ny hilaza fotsiny, ny fiderako manontolo ny asa vitan'ireo olona mahafinaritra manerana izao tontolo izao, ireo mpiaramiasa GV sy ireo hafa, izay manao ho idealy ireo tetikasa tsy mitsahatra ny miroborobo ato anatin'ny vondrom-piarahamonina sy ny hoe, aty ambadik'ireo solomaso kely fitsikilovako ireto, afaka mahita fitomboana malaky be aho.  Mpandinika aho, ary tsy misy afaka hamerina ny hanefy ahy. Tara loatra.

Kanefa, ianareo, mpikambana ato amin'ny GV, dia mahazo ny fanohanako sy ny fitiavako manontolo  !!

Tiako ny hisaotra ny tsirairay noho ny nahafahako ho lasa singa iray (bitika) ato anatiny, sady, izany eo ihany, mangataka aminareo mba tsy hanome tsiny ahy amin'ity teny anglisy tsy mandeha amin'izay laoniny nampiasaiko sy nanahirana ny masonareo ityI.

This is Sagres, south of Portugal but turn right and it is Fortaleza – you just need to swim!

Ity i Sagres, any atsimon'i Portiogaly, fa mbola mijoro ihany, ary io no Fortaleza , Brezila – ny milomano ihany no zavatra ilainao!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.