- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Torolalana momba ny famoahana lahatsoratra indray

Sokajy: Mediam-bahoaka

Creative Commons LicensedAvoaka eo ambanin'ny fahazoan-dalanaCreative Commons Attribution-Only license [1] ny votoaty rehetra avy amin'ny Global Voices. Afaka mizara, mamoaka indray, mandika amin'ny fiteny hafa na manakambana ny tantaranay ianareo rehefa manondro sy mampifandray mazava tsara ny Global Voices sy ny mpanoratra ho toy ny loharanom-baovao.

Ohatra:

This article by Lahar Sarsen originally appeared on Global Voices [2] on March 10, 2014.

Ity lahatsoratra nosoratan'i Lahar Sarsen ity dia niseho voalohany tao amin'ny Global Voices [2] tamin'ny 10 Martsa 2014.

Zava-dehibe: Ny sary, lahatsary, feo avy amin'ny mpamorona hafa dia tsy voatery ho fehezin'ny fepetra tahaka izany. Mila mangataka alalana mivantana avy amin'ny mpamorona ianao amin'izany.

Ampahafantaro anay rehefa mamerina mamoaka ny tantaranay ianao, mampifaly anay izany.

Manana fiarahamiasa betsaka amin'ny fifampizarana votoaty izahay amin'ireo tranonkala amin'ny fiteny samihafa, raha te hamoaka indray ny tantaranay matetika ianao na amin'ny fepetra manokana, dia mifandraisa aminay  [3]azafady.