- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Krizin-tsakafo manerantany 2008

Sokajy: Mediam-bahoaka

Vidin-tsakafo manerantany – tantara vaovao manerantany mandritra ny taona?

Vao taona vitsivitsy monja izay, nitaraina amin'ny fihintsanan'ny vidim-bokatra am-polony taona maro ny tantsaha. Avy eo, nony tonga ny taona 2006, nanomboka niakatra amin'izay ny vidin'ireo foto-tsakafo malaza manerantany – varimbazaha, katsaka, siramamy ary vary –. Niakatra aoka izany ny vidin'ireny tamin'ny taona 2007, fa nitolona mafy ny olona handoa 20% mihoatra noho ny fividin-dry zareo amin'ny sakafo. Niakatra hatrany amin'ny 40 isanjato ny vidin-tsakafo tamin'ny fiandohan'ny taona 2008 tany amin'ny firenena maro.

Maro ny antony mahatonga izany [1]. Fiovana foto-tsakafo avy amin'ny fitomboana ara-toekarenan'i Shina sy i India, faharatsian'ny andro, fiakaran'ny vidin-tsolika, fisongan'ny saram-pandefasana entana an-tsambo, ar ny setry ara-toekarena tamin'ny fanilihan'ny firenena manankarena ny voly tahaka ny katsaka mba hamokarana etona ethanol Ary mazava loatra, ny fidinan'ny sandan'ny dôlara amerikana izay mbola hanaovana fifanakalozana ara-barotra amin'ny ankamaroan'ny foto-tsakafo.

Vakio ny lahatsoratr'i John Liebhardt mitondra ny lohateny hoe fitetezana manerantany amin'ny krizin-tsakafo [2] araka ny hita imason'ny bilaoera avoitra ato amin'ny Global Voices.

Featured post on Global Food Crisis [2]

Ireo lahatsoratra Global Voices momba ny posts about the Global Food Crisis

21 May – Azia atsimoatsinanana: maharaka ny krizim-bary sy ny krizin-tsakafo [3]
May 05 – Haiti: mitady famonjena manoloana ny hanoanan'ny ankizy [4]
May 03 – Iran: Fiakaram-bidin-javatra sy voatabia tsy azo kasihina [5]
May 02 – Manerantany: Ny vidin-tsakafo, ny sandan'ny fahakiviana [2]
May 02 – Amerika: Hetsika sy vahaolana tsy ampy manoloana ny krizin-tsakafo [6]
May 01 – Masoarabo: Krizin-tsakafo manangasanga [7]
Apr 29 – Karaiba: Tsy fisian-tsakafo [8]
Apr 28 – Azia Atsimoatsinanana: krizim-bidim-bary sy sakafo [9]
Apr 23 – Japan: Fa lasa aiza daholo ny dibera? [10]
Apr 18 – Haiti, Congo, sy ny politikan'ny hanoanana [11]
Apr 18 – Korea: Krizim-bary taloha sy amin'izao fotoana [12]
Apr 15 – RDC: Fihintsanana fahadimy tao anatin'ny taona, ny vidin-tsakafo no tena zava-doza [13]
Apr 12 – Azia atsimoatsinanana: Fiakaran'ny vidim-bary [14]
Apr 10 – Bangladesh: Hanoanana miafina [15]
Apr 01 – Japan: Ny fiakaran'ny vidin-tsakafo [16]
Mar 13 – Tajikistan: Hanoanana asolo ny hatsiaka sy ny aizina [17]
Mar 11 – Masoarabo: Fiakaran'ny vidim-piainana [18]

Fitaovana

Fitantarana manokana: Tany Ejipta, ny fiakaran'ny vidin-tsakafo no olana lehibe amin'ny fitokonana faobe sy ireo fihetsiketsehana nandòna ny firenena tao anatin'ny herinandro maromaro. Jereo ny fitantaranay manokana momba izany, Fitokonana Faobe 2008 tao Ejipta [19].

Lahatsary

Ao amin'ny YouTube, toddgsapp [20] no nampiseho antsika lahatsary ny fanaovan [21]‘ny fianakaviana iray ny mofomamy fotaka, tsy hohanindry zareo ihany, fa ho amidy ihany koa. Ny fangaro hanaovana ireny mofomamy na vatomamy fotaka maloto ireny dia loto, potipoti-javatra ary sira, ary indraindray ireny ihany no mba ivelomany. (Vakio bebe kokoa izany ato [4])

https://youtube.com/watch?v=-qaYmqSdAPA

Zainab Bangura, Minisitry ny raharaham-bahiny avy ao Sierra Leone, mandefa hafatra amin'ny lahatsary ho an'ny olom-pirenena manerana izao tontolo izao amin'ny alalan'ny tranonkalam-pikatrohana Avaaz.org mandrisika ny rehetra hanohana ny fanangonan-tsonia iray ho fanohanana ireo vahaolana amin'ny krizin-tsakafo manerantany [22].

Newsmerick [23] iray avy amin'i Aparna Ray any India:

“Ankehitriny ny fandrahonana lehibe indrindra atrehin'ny Firenentsika,”
Hoy ny Minisitra, tao anaty fisalasalana,
Tsy ny fanafihana eny antsisitany,
Na fikasana hampihorohoro.”
“Fa inona ary?” hoy aho nanontany, “Fisondrotam-bidim-piainana izany!”

Ny sary etsy ambony dia vary ao amin'ny tsena mando iray ao Philippines tamin'ny taona 2007, avy amin'ny mpisera Flickr Hulagway [24].