Vidin-tsakafo manerantany – tantara vaovao manerantany mandritra ny taona?
Vao taona vitsivitsy monja izay, nitaraina amin'ny fihintsanan'ny vidim-bokatra am-polony taona maro ny tantsaha. Avy eo, nony tonga ny taona 2006, nanomboka niakatra amin'izay ny vidin'ireo foto-tsakafo malaza manerantany – varimbazaha, katsaka, siramamy ary vary –. Niakatra aoka izany ny vidin'ireny tamin'ny taona 2007, fa nitolona mafy ny olona handoa 20% mihoatra noho ny fividin-dry zareo amin'ny sakafo. Niakatra hatrany amin'ny 40 isanjato ny vidin-tsakafo tamin'ny fiandohan'ny taona 2008 tany amin'ny firenena maro.
Maro ny antony mahatonga izany. Fiovana foto-tsakafo avy amin'ny fitomboana ara-toekarenan'i Shina sy i India, faharatsian'ny andro, fiakaran'ny vidin-tsolika, fisongan'ny saram-pandefasana entana an-tsambo, ar ny setry ara-toekarena tamin'ny fanilihan'ny firenena manankarena ny voly tahaka ny katsaka mba hamokarana etona ethanol Ary mazava loatra, ny fidinan'ny sandan'ny dôlara amerikana izay mbola hanaovana fifanakalozana ara-barotra amin'ny ankamaroan'ny foto-tsakafo.
Vakio ny lahatsoratr'i John Liebhardt mitondra ny lohateny hoe fitetezana manerantany amin'ny krizin-tsakafo araka ny hita imason'ny bilaoera avoitra ato amin'ny Global Voices.
Ireo lahatsoratra Global Voices momba ny posts about the Global Food Crisis
21 May – Azia atsimoatsinanana: maharaka ny krizim-bary sy ny krizin-tsakafo
May 05 – Haiti: mitady famonjena manoloana ny hanoanan'ny ankizy
May 03 – Iran: Fiakaram-bidin-javatra sy voatabia tsy azo kasihina
May 02 – Manerantany: Ny vidin-tsakafo, ny sandan'ny fahakiviana
May 02 – Amerika: Hetsika sy vahaolana tsy ampy manoloana ny krizin-tsakafo
May 01 – Masoarabo: Krizin-tsakafo manangasanga
Apr 29 – Karaiba: Tsy fisian-tsakafo
Apr 28 – Azia Atsimoatsinanana: krizim-bidim-bary sy sakafo
Apr 23 – Japan: Fa lasa aiza daholo ny dibera?
Apr 18 – Haiti, Congo, sy ny politikan'ny hanoanana
Apr 18 – Korea: Krizim-bary taloha sy amin'izao fotoana
Apr 15 – RDC: Fihintsanana fahadimy tao anatin'ny taona, ny vidin-tsakafo no tena zava-doza
Apr 12 – Azia atsimoatsinanana: Fiakaran'ny vidim-bary
Apr 10 – Bangladesh: Hanoanana miafina
Apr 01 – Japan: Ny fiakaran'ny vidin-tsakafo
Mar 13 – Tajikistan: Hanoanana asolo ny hatsiaka sy ny aizina
Mar 11 – Masoarabo: Fiakaran'ny vidim-piainana
Fitaovana
Fitantarana manokana: Tany Ejipta, ny fiakaran'ny vidin-tsakafo no olana lehibe amin'ny fitokonana faobe sy ireo fihetsiketsehana nandòna ny firenena tao anatin'ny herinandro maromaro. Jereo ny fitantaranay manokana momba izany, Fitokonana Faobe 2008 tao Ejipta.
Lahatsary
Ao amin'ny YouTube, toddgsapp no nampiseho antsika lahatsary ny fanaovan‘ny fianakaviana iray ny mofomamy fotaka, tsy hohanindry zareo ihany, fa ho amidy ihany koa. Ny fangaro hanaovana ireny mofomamy na vatomamy fotaka maloto ireny dia loto, potipoti-javatra ary sira, ary indraindray ireny ihany no mba ivelomany. (Vakio bebe kokoa izany ato)
https://youtube.com/watch?v=-qaYmqSdAPA
Zainab Bangura, Minisitry ny raharaham-bahiny avy ao Sierra Leone, mandefa hafatra amin'ny lahatsary ho an'ny olom-pirenena manerana izao tontolo izao amin'ny alalan'ny tranonkalam-pikatrohana Avaaz.org mandrisika ny rehetra hanohana ny fanangonan-tsonia iray ho fanohanana ireo vahaolana amin'ny krizin-tsakafo manerantany.
Newsmerick iray avy amin'i Aparna Ray any India:
“Ankehitriny ny fandrahonana lehibe indrindra atrehin'ny Firenentsika,”
Hoy ny Minisitra, tao anaty fisalasalana,
Tsy ny fanafihana eny antsisitany,
Na fikasana hampihorohoro.”
“Fa inona ary?” hoy aho nanontany, “Fisondrotam-bidim-piainana izany!”
Ny sary etsy ambony dia vary ao amin'ny tsena mando iray ao Philippines tamin'ny taona 2007, avy amin'ny mpisera Flickr Hulagway.