- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Krizin-tsisintany tany Amerika Atsimo 2008

Sokajy: Mediam-bahoaka

Alvaro UribeNy 1 Martsa 2008, nanafika ny tobin'ny Tafika Mitam-piadiana Revolisionera Kolombiana (FARC) [1] any amin'ny tanin'i Ekoadaoro ny Tafika Mitam-piadiana Kolombiana ary namono ilay mpitarika manamboninahitra ambony, Raúl Reyes [2]. Vokatr'izany, nanontany ampahibemaso ny anton'ny fidirana an-tsokosoko tany Ekoadaoro ireo firenena mpifanolo-bodirindrina toa an'i Venezoela sy Ekoadaoro, izay nitarika ho amin'ny fandravana ny fifandraisana ara-diplomatika. Niteraka fihenjanana ny toe-javatra fanampiny manodidina ny fanafihana sy ny fisian'ireo mpiady anaty akata FARC izay nampametra-panotaniana tao Ekoadaoro , ary ihany koa ny fahitana ny porofo rehetra tao amin'ny solosaina FARC, izay nampifandray ireo governemanta tao Ekoadaoro sy Venezoela amin'ny vondrona mpiady anaty akata.

Sarin'i Álvaro Uribe (Filohan'i Colombia) [3] avy amin'i A Look Askance [4]

Fizotry ny fitantarana Global Voices

27 May – Kolombia: Solosaina FARC , fifamatoran'ny mpanao politika sy ny governemanta vahiny [5]
26 Martsa – Ekoadaoro: Taorian'ny krizin'ny sisintany [6]
08 Martsa – Venezoela: Vita ny fifanarahana tao Santo Domingo [7]
08 Martsa – Brezila: Kolombia, Ekoadaoro, Venezoela sy ny fahirano tany Amerika Latina [8]
05 Martsa - Kolombia: Fifandonana mampiahiahy miaraka amin'i Ekoadaoro sy Venezoelà [9]
04 Martsa – Ekoadaoro: Fandravana ny fifamatorana ara-diplomatika miaraka amin'i Kolombia [10]