Krizin-tsisintany tany Amerika Atsimo 2008

Alvaro UribeNy 1 Martsa 2008, nanafika ny tobin'ny Tafika Mitam-piadiana Revolisionera Kolombiana (FARC) any amin'ny tanin'i Ekoadaoro ny Tafika Mitam-piadiana Kolombiana ary namono ilay mpitarika manamboninahitra ambony, Raúl Reyes. Vokatr'izany, nanontany ampahibemaso ny anton'ny fidirana an-tsokosoko tany Ekoadaoro ireo firenena mpifanolo-bodirindrina toa an'i Venezoela sy Ekoadaoro, izay nitarika ho amin'ny fandravana ny fifandraisana ara-diplomatika. Niteraka fihenjanana ny toe-javatra fanampiny manodidina ny fanafihana sy ny fisian'ireo mpiady anaty akata FARC izay nampametra-panotaniana tao Ekoadaoro , ary ihany koa ny fahitana ny porofo rehetra tao amin'ny solosaina FARC, izay nampifandray ireo governemanta tao Ekoadaoro sy Venezoela amin'ny vondrona mpiady anaty akata.

Sarin'i Álvaro Uribe (Filohan'i Colombia) avy amin'i A Look Askance

Fizotry ny fitantarana Global Voices

27 May – Kolombia: Solosaina FARC , fifamatoran'ny mpanao politika sy ny governemanta vahiny
26 Martsa – Ekoadaoro: Taorian'ny krizin'ny sisintany
08 Martsa – Venezoela: Vita ny fifanarahana tao Santo Domingo
08 Martsa – Brezila: Kolombia, Ekoadaoro, Venezoela sy ny fahirano tany Amerika Latina
05 Martsa - Kolombia: Fifandonana mampiahiahy miaraka amin'i Ekoadaoro sy Venezoelà
04 Martsa – Ekoadaoro: Fandravana ny fifamatorana ara-diplomatika miaraka amin'i Kolombia

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.