- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Famonjena ireo takalonaina tany Kolombia 2008

Sokajy: Mediam-bahoaka

Tokontany

Ny 2 Jolay 2008, nanatanteraka hetsika fanavotana ny mpitandro filaminana Kolombiana izay nanafahana tamim-pahombiazana ireo takalonaina miisa 15 nalain'ny Tafika Mitam-piadiana Revolisionera tao Kolombia (FARC). Anisan'ireo navotsotra ny kandidà filoham-pirenena teo aloha Íngrid Betancourt [1], ny mpikambana miisa 11 avy amin'ny mpitandro filaminana Kolombiana ary ny olom-pirenena Amerikanina miisa 3.

Fitantarana avy amin'ny Global Voices momba ny hetsika fanavotana tany Kolombia

05 Jolay – Kolombia: Niteraka ahiahy ny fanavotana ireo takalonaina [2]
04 Jolay – Kolombia: avotra i Ingrid Betancourt sy ireo takalonaina hafa [3]
04 Jolay – Amerika: Mankalaza ny fanavotana ireo takalonaina [4]

Alefaso ny mailaka any amin'ny toniandahatsoratray Amerika Latina, Eduardo Ávila [5] raha manana soso-kevitra momba ny lahatsoratra tokony hifandraisanay ianao, na raha toa ka bilaogera ary te hanolo-tena hilatsaka an-tsitrapo [6] hanoratra ho an'ny Global Voices.

 

Sary

 

Saripikan'i h de c [7] ary nampiasana lisansa Creative Commons.

Saripikan'i Kiki's Photos [8] ary nampiasana lisansa Creative Commons.