19 Jolay 2019

Tantara tamin'ny 19 Jolay 2019

Famonjena ireo takalonaina tany Kolombia 2008

  19 Jolay 2019

Ny 2 Jolay 2008, nanatanteraka hetsika fanavotana ny mpitandro filaminana Kolombiana izay nanafahana tamim-pahombiazana ireo takalonaina miisa 15 nalain'ny Tafika Mitam-piadiana Revolisionera tao Kolombia (FARC). Anisan'ireo navotsotra ny kandidà filoham-pirenena teo aloha Íngrid Betancourt , ny mpikambana miisa 11 avy amin'ny mpitandro filaminana Kolombiana ary ny olom-pirenena Amerikanina miisa 3.

Lalao Olaimpika tany Beijing 2008

  19 Jolay 2019

Noho ny fanohanan'ny Reuters, nitatitra ny fanehoan-kevitry ny fampitam-baovaon'olon-tsotra tamin'ny lalao olaimpika avy amin'ny olom-pirenena tao Shina sy manerana izao tontolo izao tao amin'ny pejy fitantaranay manokana sy tao amin'ny faham-baovao Twitter momba ny lalao Olaimpika ny Global Voices.

Mifandraisa aminay

Blaogim-Piarahamonina GV  19 Jolay 2019

Raha te-hifandray amin'ny olona misahana ny tetikasa Global Voices amin'ny ankapobeny ianao dia safidio azafady ny olona mifandraika amin'izany ao amin'ny  Fifandraisana Global Voices.