- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fihaonambe 2008 miresaka SIDA

Sokajy: Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny taona 2008 ity adika eto ity)

Tokontany:

Tontosaina any Mexico City manomboka ny 3 hatramin'ny 8 aogositra 2008 ny Fihaonambe Iraisam-pirenena faha-17 [1]. Fanao isaky ny roa taona any amin'ny tanàna samihafa ny hetsika, izay fivoriana iraisam-pirenena lehibe indrindra momba ny olana ara-pahasalamana manerantany. Sambany tontosaina ao Amerika Latina izany.

Ny valandresaka tamin'ity taona ity dia nahitàna mpandray anjara 22 000 teo ho eo avy amin’ izao tontolo izao, anisan'izany ireo mpahay siansa, ny mpanao politika, ny mpikatroka, ary ny mpisolovava (jereo Juliana [2], Lova [3], sy Collins [4])

Haseho mandritra ny fihaonambe ny fikarohana siantifika vaovao [5], ary hizara lesona nianarana sy hifanakalo hevitra momba ny hoavy sy ny fisorohana ny VIH/SIDA ireo mpandray anjara. Ny lohahevitry ny hetsika amin'ity taona ity dia, “Universal Action Now,” izay manasongadina ny filàna maika hiadiana amin'ny VIH / SIDA.

Lahatsoratra Global Voices momba ny SIDA 2008:

16 AogositraAIDS 2008: Lifting the Travel Ban on HIV-Positive People (SIDA: Manala ny fandraràna fivezivezena ho an'ny olona mitondra ny VIH) [6]
11 AogositraAIDS Conference youth: A force to be reckoned with (Tanora ao amin'ny fihaonambe momba ny SIDA: ny hery ilaina ho ankatoavina) [7]
11 AogositraAfrican MSM & Sex Workers Voice Concerns and Hopes at AIDS 2008 ( [8]African MSM & mpivaro-tena maneho ny ahiahiny sy ny fanantenany tamin'ny SIDA 2008) [8]
08 Aogositra – AIDS 2008: Battling AIDS By Battling Homophobia (SIDA 2008: Miady amin'ny SIDA amin'ny fiadiana ny fankahalana pelaka) [9]
04 AogositraIran: International Campaign to Support Jailed Physicians (Iran: Hetsika Iraisam-pirenena ho fanohanana ireo dokotera nogadraina) [10]
28 Jolay – AIDS: XVII International Conference call for videos (Antso hanao lahatsary amin'ny fihaonambe iraisam-pirenena faha-XVII momba ny SIDA [11])

Loharanom-baovao hafa: