- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Famoretana taorian’ny fifidianana tany Maoritania : nesorina ny sakana tamin'ny Aterineto saingy mbola notànana ny mpanao gazety 

Sokajy: Afrika Mainty, Maoritania, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
[1]

Nalefa mivantana tao amin’ny Facebook ny valim-pifidianana talohan’ny nanapahan’ny fanjakana Maoritaniana ny Aterineto. Loharano : Pikantsarin’ny fampitana mivantana tao amin’ny Facebook avy amin'ny Vaomiera misahana ny fifidianana ao amin’ny firenena.

Namerina ny fidirana tamin’ny Aterineto taorian’ny fanelingelenana izany nandritra ny 10 andro ny manampahefana Maoritaniana rehefa vita ny fifidianana filoham-pirenena nahabe adihevitra tamin’ny 23 Jona. Na izany aza, nanohy ny famerana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalaham-pitenenana ho anisan’ny famoretana taorian’ny fifidianana ny governemanta.

Nahazo vato 52 % ny kandidà natolotry ny governemanta, Mohamed Ould Ghazouani, saingy marobe ireo fiampangana hosoka izay nanimba ny fifidianana. Kandidà miisa telo avy amin’ny mpanohitra, anisan’izany ilay mpikatroka manohitra ny fanandevozana Biram Dah Abeid- nahazo ny toerana fahatelo [2] tamin’ny vato 18%- no nanohitra [3] ny voka-pifidianana teo anoloan‘ny Filan-kevitry ny Lalàmpanorenana. Nisy ihany koa ireo fihetsiketsehana [3] madinika nanohitra ity voka-pifidianana ity tao an-drenivohitra, Nouakchott.

Ny Alatsinainy 1 Jolay, nolavin’ny [3] filankevitra ny fitarainana nataon’ny mpanohitra ary nanamafy fa i Ould Ghazouani no ho filoham-pirenena manaraka ao amin’ny firenena noho ny tsy fahampian’ny porofo manamarina ireo fiampangana hosoka nataon’ireo mpanohitra.

Fisamborana mikendry ireo mpanao gazety sy ireo mpanohitra malaza

Nosamborina [4] tany an-tranony tany Nouakchott renivohitra i Ahmedou Ould al- Wadea, mpanolotra fandaharana ao amin’ny fantsom-pahitalavitra Maoritaniana AI Mourabitoun tamin’ny 3 Jolay 2019. Mbola notanana any amin’ny toerana tsy fantatra i AI Wadea, izay fanta-daza noho ny tsikera nataony tamin’ny filoha amperinasa Mohamed Ould Abdel Aziz, araka ny voalazan’ny vondrona mpiaro ny zon’olombelona [5]. Mbola tsy mazava ny fiampangana [4] atrehiny.

Tsy i AI-Wadea irery no mpanao gazety lasibatra tamin’ny famoretana taorian’ny fifidianana. Ny 26 Jona, nosamborin’ny polisy i Seydi Moussa Camaras, mpanao gazety iray hafa fantatra tamin’ireo tsikera nataony tamin’ny governemanta. Camaras no talen’ny famoahan-dahatsoratra ho an'ny gazety tsy miankina mpivoaka isan-kerinandro La Nouvelle Expression [6]. Nandany herinandro tany am-ponja izy talohan’ny namotsorana azy ny 3 Jolay. Araka ny voalazan’ny Reporters Sans Frontières, niampanga [7] azy ho nanohitra ny valim-pifidianana nandritra ny antso an-tariby ny sampam-piarovana.

RSF has learned that the state security agents who arrested Moussa at his home, seizing all of the mobile phones and laptops there, accused him of disputing the election results during phone conversations, suggesting that his calls had been tapped.

Nahare ny RSF fa niampanga azy ho nanohitra ny voka-pifidianana nandritra ny resaka an-tariby ireo mpiasan’ny fiarovam-pirenena izay nisambotra an’i Moussa tany an-tranony, ary naka ireo finday sy ireo solosaina enti-tànana rehetra ary nilaza fa nisy nihaino ny antsony.

Maro tamin’ireo mpanohitra malaza no nosamborin’ny manampahefana ihany koa, hoy ny Amnesty tamin’ny fanambarana [8] nataony tamin’ny 27 Jona. Anisan’ireny i Samba Thiam, lehiben’ny Forces progressistes pour le changement (Hery fampandrosoana ho an’ny fanovana) talohan’ny namotsorana azy any am-piandohan’ny volana Jolay.

Natsahatra ny fanapahana ny Aterineto naharitra folo andro

Nandritra ny famoretana, nanapa-kevitra ny hanakatona ny Aterineto ihany koa ny governemanta mialoha ny fanalana ny sakana ny 3 Jolay.

Nanome baiko ny fanakatonana noho ny antony ara-piarovana ny Minisiteran’ny Atitany na dia nihevitra aza ireo mpikatroka sy ireo vondrona mpiaro ny zon’olombelona fa ny hanakanana [9] ireo mpanohitra tsy hanao fihetsiketsehana no tena tanjona.

Tany amboalohany, nanakorontana ny fidirana tamin’ny Aterineto tamin’ny finday aloha ny governemanta manodidina ny tamin’ny 11 ora alina, ora tany an-toerana ny 23 Jona, araka ny voalazan’ny [9] Media Foundation for West Africa. Valo ambin'ny efapolo ora taty aoriana, nokorontanin’izy [10] ireo ihany koa ny fidirana tamin’ny fifandraisana tsy mihetsika.

Nahakasika ireo mpamatsy tolotra Aterineto tao Maoritania miisa telo ny fahatapahana : Mauritel [11], Chinguitel [12] ary Mattel [13]. Tsy nanome ny antony momba ilay fahatapahana ny orinasa sady tsy nampahafantatra mialoha ireo mpisera talohan’ny nitrangan’izany.

Nanakana ireo mpitarika ny mpanohitra tsy ho afaka nikarakara sy nanetsika ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin’ny firenena izay tsy misy afa-tsy 21% monja amin’ireo mponina miisa 4 tapitrisa no manana fifandraisana amin’ny Aterineto  [14]ny fanakorontanana.

Nampitoka-monina ireo Maoritaniana avy amin'ny sisa amin'izao tontolo izao izanyindrindra ireo mpiaro ny zon’olombelona, ireo mpitarika ny mpanohitra ary ireo mpanao gazety izay nametra [15] tanteraka ny fahafahany mahazo vaovao sy mamoaka vaovao momba ny famoretana ataon’ny governemanta amin’ireo mpanao fihetsiketsehana, ireo mpanao gazety ary ny mpanohitra politika.