- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fifidianana filoham-pirenena amerikanina 2008

Sokajy: Mediam-bahoaka

Ny Amerikanina ihany no afaka mifidy ny filohan'i Etazonia, saingy nanolotra hirika miavaka tamin'ny fanangonam-baovao manerantany momba ny politikan'i Amerika sy ny politika ivelany ary ny fiantraikan'izay tamin'ny sisa amin'izao tontolo izao ny fifidianana tamin'ny taona 2008.

Tamin'ny fiaraha-miasa tamin'ny masoivohom-baovao manerantany Reuters , nanokatra tranonkala Voices without Votes ny Global Voices mba hanasongadinana ny resadresaka amin'ny bilaogy tsy Amerikana sy ireo fampahalalam-baovaon'olon-tsotra, niaraka tamin'ny fanasongadinana ny faritra hanaovan'ny Global Voices fitantarana: Afrika, Azia, Eoropa, Amerika Atsimo ary ny Afovoany Atsinanana.

Voices without Votes, Americans vote, the world speaks [1]

Ny Voices without Votes dia miompana amin'ny fanoratana ôrizinaly izay mamintina sy mandika teny ireo bilaogy eran-tany SY miaraka amin'ny famoaham-baovao isan'andro notsongaina avy amin'ny lahatsoratra tao amin'ny tranonkala manerana izao tontolo izao izay manome fomba fijery vahiny mampisaintsaina.

Inona ary ny azonao atao?

Tsidiho ary araho ny rohy [2] mankany amin'ny tranonkala! Raha tsy Amerikana ianao, na monina any ivelan'i Etazonia dia manorata lahatsoratra ao amin'ny bilaoginao manokana miaraka amin'ny eritreritrao momba ny fifidianana filoham-pirenena na izay lafiny momba ny politika Amerikana araka ny fahitan'ny firenenao azy ary mandefasa rohy aty aminay . [3]