Fifidianana filoham-pirenena amerikanina 2008

Ny Amerikanina ihany no afaka mifidy ny filohan'i Etazonia, saingy nanolotra hirika miavaka tamin'ny fanangonam-baovao manerantany momba ny politikan'i Amerika sy ny politika ivelany ary ny fiantraikan'izay tamin'ny sisa amin'izao tontolo izao ny fifidianana tamin'ny taona 2008.

Tamin'ny fiaraha-miasa tamin'ny masoivohom-baovao manerantany Reuters , nanokatra tranonkala Voices without Votes ny Global Voices mba hanasongadinana ny resadresaka amin'ny bilaogy tsy Amerikana sy ireo fampahalalam-baovaon'olon-tsotra, niaraka tamin'ny fanasongadinana ny faritra hanaovan'ny Global Voices fitantarana: Afrika, Azia, Eoropa, Amerika Atsimo ary ny Afovoany Atsinanana.

Voices without Votes, Americans vote, the world speaks

Ny Voices without Votes dia miompana amin'ny fanoratana ôrizinaly izay mamintina sy mandika teny ireo bilaogy eran-tany SY miaraka amin'ny famoaham-baovao isan'andro notsongaina avy amin'ny lahatsoratra tao amin'ny tranonkala manerana izao tontolo izao izay manome fomba fijery vahiny mampisaintsaina.

Inona ary ny azonao atao?

Tsidiho ary araho ny rohy mankany amin'ny tranonkala! Raha tsy Amerikana ianao, na monina any ivelan'i Etazonia dia manorata lahatsoratra ao amin'ny bilaoginao manokana miaraka amin'ny eritreritrao momba ny fifidianana filoham-pirenena na izay lafiny momba ny politika Amerikana araka ny fahitan'ny firenenao azy ary mandefasa rohy aty aminay .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.