Vaovao mahafinaritra momba ny Lingua Espaniola!

(Lahatsoratra teny anglisy efa tamin'ny taona 2015 ity adika eto ity)

Faly aho manambara fiovana goavana ao amin'ny ekipantsika Lingua.

Nandritra ny taona maro, Juan Arellano no tonian-dahatsoratry ny Lingua Espaniola, manara-maso ny fandikana ny lahatsoratra GVAnglisy mankany amin'ny teny Espaniola. Tamin'ny Janoary anefa, nanambara i Juan fa hiala izy ka manomboka amin'ny 15 Febroary, i Gabriela Garcia Calderon no hisolo azy.

Juan Arellano nandritra ny fihaonamben'ny Global Voices tany Cebu, Filipina. Avy amin'i Laura Schneider.

Hiara-hiasa amintsika ho amin'ny fitomboana sy ny faharetan'ny fiarahamonina Lingua Espaniola i Gabriela, miara-miasa amin'ny efi-panoratana, fampiofanana, fananganana fiaraha-miasa ary fitantanana antontan'isa sy angona. Vakio bebe kokoa eto ny momba an'i Gabriela, ary andeha hiaraka amiko hiarahaba azy amim-pitiavana!

Gabriela Garcia Calderon Orbe nandritra ny fihaonamben'ny Global Voices tao Cebu, Filipina. Sary avy amin'i Laura Schneider. 

Te-hisaotra betsaka an'i Juan  koa aho ary miarahaba azy noho izy nanao asa mahafinaritra nitarika ny fiarahamonina Lingua mavitrika indrindra nandritra ny taona maro lasa!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.