GV Lingua: Janoary 2017

The Lingua ProjectMiarahaba ny rehetra! Tahaka izao ny momba ny Lingua tamin'ny volana Janoary 2017.

Ny fitambarany tamin'ity volana ity, namoaka lahatsoratra 706, nahasarika mpitsidika 271.409 sy pejy nisy nijery in-345.986 isika

Ity indray ny zava-bitan'ny tranonkala rehetra tamin'ny volana lasa.

Songadina

  • Nametra-pialàna ny tonian-dahatsoratra Lingua Espaniola Juan Arellano, ka i Gabriela Garcia Calderon no solony ankehitriny.
  • Navitrika hatrany ny Lingua Arabo tao anatin'ny telo volana lasa, noho ny tondro avy amin'ny Psiphon amin'ny teny Arabo sy ny fikarohana tsy avy amin'ny dokambarotra
  • Namoaka fandikan-teny betsaka indrindra tamin'ity volana ity ny Lingua Grika, lahatsoratra 98!

Ireo laharana voalohany tamin'ity volana ity:

Lahatsoratra

Espaniola 188
Malagasy 111
Grika 98
Frantsay 60
Rosiana 55

Ny isan'ny pejy voatsidika

Esapniola 104.815
Frantsay 43.230
Arabo 30.875
Japoney 27.940
Shinoa T. 23.819

Facebook

Arabo 126.572
Shinoa 41.921
Espaniola 19.803
Frantsay 17.815
Amharic 8.466

Twitter

Shinoa 171.723
Arabo 44.227
Espaniola 7.428
Bangla 6.714
Frantsay 5.540

Aza adinoina ny manaraka ny Lingua ao amin'ny Twitter sy Facebook! Ary zarao amin'ny namanao sy ny tambanjotranao azafady ny taratasy fangatahana hiditra Lingua. Mandika teny amin'ny fiteny 40 mahery izahay!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.