- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Rahonan'ny sivana aterineto Amerikana

Sokajy: Amerika Latina, Azia Atsinanana, Iràna, Kiobà, Korea Avaratra, Shina, Sodàna, Syria, Fahalalahàna miteny, Fampandrosoana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia

(Marihana fa efa tamin'ny taona 2016 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Andro vitsy taorian'ny kabarin'ny [1] Sekreteram-panjakana amerikana Hillary Clinton [2] momba ny fahalalahan'ny aterineto, nosakanan'ny [3] SourceForge.net (fitehirizana loharano kaody tovozona malalaka)  ny fidirana amin'ny adiresy IP avy any Kiobà, Iran, Korea Avaratra, Sodana ary Syria.

Niaro ny fanapahan-kevitra  [4]ny SourceForge tamin'ny filazana fa izy ireo ihany no manaraka ny lalàna Amerikana [5]. Izay somary mitovitovy amin'ny nambaran'ny mpitondra tenin'ny governemanta Shinoa raha nanontaniana momba ny sivana amin'ny aterineto ao amin'ny fireneny [6].

Efa nosakanan'i Shina [7] ny SourceForge teo aloha. Nahatonga ireo Shinoa sasany mpamorona kaody (codeur) hanontany tena ny fandrenesana ity filazan'ny Great Firewall (Aroafo lehibe) vaovao Amerikana ity raha mety ho voasakana izy avy any amin'ny ilany ary inona no mety ho azo atao manoloana izany.

sourceforgeblock [8]

Sary avy amin'ny bilaogy Moonlight an'i William Lone. 

Tao amin'ny CNBeta tamin'ny andro nipoahan'ny vaovao, ugmbbc nanoratra hoe [9]:

在今天,开源精神遭到了践踏,SourceForge会因为他们被要求屏蔽流氓国家而去美国国会抗议么?

这是个棘手的问题,难道仅仅因为这几个国家的极少数的一部分人的极端行为,就要整个国家遭到惩罚么?开源软件为这些受到压迫和发展中的国家提供了重要的基础设施。希望美国政府能够看到对这些国家基础设施和羽翼未丰的产业带来的打击。

Voahitsakitsaka ankehitriny ny kolontsaina tovozona malalaka. Rehefa notakiana mba hanakana ireo firenena jiolahimboto, hanohitra any amin'ny Kongresy Amerikana ve ny SourceForge?

Toe-javatra sarotra tokoa, saingy tsy maintsy ny firenena iray manontolo ve no voasazy noho ny fihetsika tafahoatra ataon'ny olona vitsy an'isa any amin'ireo firenena ireo? Manome foto-drafitrasa goavana ho an'ireo firenena nampijaliana sy an-dalam-pampandrosoana ny rindrambaiko tovozona malalaka. Manantena aho fa afaka mahita ny fiantraikan'izany amin'ny fotodrafitrasa sy ny indostria vao misandratra ao amin'ireo firenena ireo ny governemanta Amerikana.

Tao amin'ny fiarahamonina mpiondana aterineto Solidot, manamarika [10] ny free-as-in-freedom fa manaraka ireo famerana tany am-boalohany napetraka ho an'ireo mpiserasera avy amin'ireo firenena dimy ity fanapahan-kevitry ny SourceForge ity, izay mamela ny mpiserasera hijery ny tranonkala ary hitroka fitaovana kaody, kanefa manakana azy ireo tsy handray anjara. Hoy koa ny fanehoan-kevitra momba izany :

Alpha.Roc:
SourceForge 还是要遵守美国法律的呀?

Tokony hanaraka ny lalàna Amerikana ny SourceForge!

alvan:
SourceForge为什么一定要遵从自由软件精神?软件只是代码,所以可以自由中立;但是网站是离不开服务器的,你的服务器放在哪个国家,就要遵从这个国家的法律——这个天经地义呀。

Nahoana no tsy maintsy manaraka ny kolontsaina tovozona malalaka ny SourceForge? Kaody fotsiny ihany ny rindrambaiko, izay mahatonga azy ho malalaka sy tsy miandany, saingy tsy afa-miala amin'ny lohamilina izay mampiantrano azy ireo ny tranonkala, ary tsy maintsy manaraka ny lalàna ao amin'ny firenena izay misy ny lohamilina ianao, izay no fandehany.

pynets:
这是人家的自由

Fahalalahan'izy ireo izany.

erlv ao amin'ny bilaoginy ara-teknika LingCC mijery ny [11] fiantrakan'ny politika midikiditra amin'ny hetsika tovozona malalaka

每个喜欢互联网技术,拥护开源的人都不想让开源沦为政治工具,但这是一个政治主导的世界,你得听政府的,政府是老大,你在政府的地盘上混,管你什么道义,什么自由,什么开源,统统只是工具。

我不是在鼓吹网络长城多么利国利民,但我们确实需要一种手段,让我们与国外能自由交流的同时,能摆脱对他们的依赖。正如现在国内,开源爱好者们都很乐于将自己的代码贡献出来,给开源社区,但当它变成政治工具的时候,我们如何取得该属于我们的权利?

SourceForge.net好像在国内还没有官方的镜像服务器. 如果我们的官老爷们真的为我国的信息产业处心积虑,鞠躬尽瘁的话,倒不如拿支持防火长城项目1%的钱,作为政府鼎力支持,在国内建几个开源镜像服务器,这样,至少我们还能有所有的源码,至少我们有了独立自主!

Tsy misy olona mpankafy teknolojia na manohana ny loharanom-baovao tovozona malalaka ka maniry hahita izany ho lasa fitaovana ara-politika, saingy tontolo fehezin'ny politika izany; afaka milaza izay tianao momba ny fitsipika, fahalalahana na loharano tovozona malalaka ianao, saingy rehefa eo ambanin'ny fifehezan'ny governemanta ianao, dia izy no mametraka fepetra, ka mihaino tsara ianao: fitaovana fotsiny ireo.

Tsy milaza aho fa tsara ho an'ny firenena na ny vahoaka ny GFW (Aroafo Lehibe), fa mila manao dingana sasantsasany kosa isika mba hiantohana mandritra izany fotoana izany fa afaka mifandray malalaka amin'ireo any ampitan-dranomasina isika, afaka mijanona tsy miankina amin'izy ireo isika . Amin'izao fotoana izao, any amin'ny tanibe, ohatra, faly ireo mpankafy loharano tovozona malalaka mandray anjara amin'ny kaodiny miaraka amin'ny vondrom-piarahamonina tovozona malalaka iray manontolo. Saingy rehefa lasa fitaovana ara-politika izany, ahoana no tokony hahazoantsika ireo zo izay antsika?

Tsy mino aho fa manana lohamilina fitaratra any Shina ny SourceForge. Raha tena te-handamina ho tombontsoan'ny indostrian'ny fampahalalam-baovao ao amin'ny firenena ireo tompon'andraikitra amin'izany ary vonona ny hanao izay tokony atao, dia tsy hampalahelo azy ireo ny maka ny 1% amin'ny vola laniny amin'ny GFW (Manda aroafo lehibe), toy ny fanohanana madio avy amin'ny governemanta , ary mametraka lohamilina fitaratra vitsivitsy ao anatin'ny firenena. Amin'izany farafaharatsiny, mbola manana ny kaodintsika manokana hatrany isika. Farafaharatsiny koa, mbola manana ny fahaleovantentsika manokana isika!