Mitsena ny taona 2016 miaraka amin'ny mpandray anjara Global Voices 

(Lahatsoratra tamin'ny volana Janoary 2016)

Sydney Harbour as seen from Lavender Bay, North Sydney - during New Year's Eve celebrations in 2015/2016. Photograph by Rezwan, shared on flickr, used under CC BY-NC-ND

Australia: Seranan-tsambon'i Sydney hita avy ety amin'ny Helodranon'i Lavender, Sydney Avaratra – nandritra ny fankalazana ny taombaovao tamin'ny 2015/2016. Saripikan'i Rezwan, nozaraina tao amin'ny flickr, nampiasana lisansa CC BY-NC-ND

Momba ny fampiasana sary ao anaty lahatsoratra avokoa no hita tao amin'ny torohevitra fandefa isan-kerinandro ho an'ny herinandro voalohany tamin'ny volana Janoary 2016.  Ny mba hakana sary avy any amin'ny vondrom-piarahamonin'ny GV sy mba hiarahana manoratra lahatsoratra an-tsary ny fomba nankalazana ny alin'ny Taom-baovao tany amin'ny toerana misy anao no tanjona.

Misaotra betsaka an'i Rezwan, mpandrindra ny tranokalan'ny mpandika teny Lingua Bangla, tamin'ny fandefasana ny sary voalohany!

Nahitana ny afomanga tsara tarehy tany Sydney tamin'ny fitsenana ny Taombaovao. Manazava izy:

Framed by the glittering cityscape and the fireworks perfectly reflected by the harbour below, there’s no New Year’s Eve celebration quite like Sydney.

Norafetana tao anatin'ny endrin-tanàna an-drenivohitra ravahan-jiro sy ny afomanga tsara tarehy mitaratra ny seranan-tsambo etsy ambany, tsy mbola nisy fankalazana Taombaovao toy ny tao Sydney.

Jereo ny saripikan'i Rezwan maro kokoa raha nitsidika izao tontolo izao tao amin'ny kaontiny Flickr izy .

Ary indro misy saripika hafa avy amin'i Rezwan tamin'ny fankalazana ny Taombaovao tany Sydney ho fanomezana fanampiny, tao amin'ny Instagram tamin'ity indray mitoraka ity :

The first round of new year celebrations

A photo posted by Rezwan (@rezwanbd) on

andiany voalohany tamin'ny fankalazana ny taombaovao

Any amin'ny tontolon'ny GV hafa, nizara ity fomba amam-panao amin'ny Taombaovao avy any Espaina ity tao amin'ny kaonty Instagram-n'ny Global Voices ny toniam-baovao Lauren Finch:

Fomban-tany Espaniôla ny mihinana voaloboka miisa 12 rehefa mipaika amin'ny misasak'alina ny famantaran'andro amin'ny Taombaovao – voaloboka iray isaky ny fanenon'ny segondran'ny famantaran'andro. Mitondra vintana tsara ho anao amin'ny taona hoavy ny fihinanana izany na farafaharatsiny hameno ny paosin'ireo mpamokatra voaloboka ao amin'ny firenena. Raha ny marina dia voalaza fa lasa nanjary nalaza io fomba amam-panao io tany amin'ity tanin-divay ity nandritra ny taonjato maromaro lasa izay, indrindra nandritra ny fijinjana miroborobo ny voaloboka, niaraka tamin'ny mpamboly nanao varo-boba ny tahiriny. Azo natao mihitsy aza ny nihinana voaloboka mbola vaovao na mamoaka voaloboka efa voavaofy amidy anaty boaty. Aleoko misafidy ny vaovao .

Ho an'ny sary mahaliana kokoa sy ny topi-maso avy amin'ny toerana hafa amin'izao tontolo izao, jereo ny kaonty Instagram GV izay ahitana ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina samihafa mizara sary avy amin'ny herinandrony niaraka tamin'ny vahoaka.

Farany fa tsy ny kely indrindra, mamaritra ny fomban-drazana Shiliana amin'ny fankalazana ny Taombaovao ilay Shiliana Elizabeth izay ahitana ny fihinanana voaloboka ihany koa.

Hoy izy:

We usually celebrate with friends and family. We have dinner and then get ready to do the countdown together. There are many traditions when the New Year arrives. First, you have to eat a grape with each bell marking 12 o'clock. Each grape symbolizes a wish for the year. After the hugs, we toast with champagne. The glass must have a gold ring in it (of course, you should be careful not to swallow it) to symbolize prosperity. Then we all go out of the house and cross the street with suitcases (it's funny to see all your neighbors doing so) to ask for trips. And lastly, you throw some water at the entrance and sweep away it to protect the house from envy.

Manao fankalazana miaraka amin'ny namana sy ny fianakaviana izahay matetika. Miara-misakafo hariva izahay ary avy eo mivonona amin'ny fiarahana manisa ny segondra farany. Misy fomban-drazana maro rehefa tonga ny Taombaovao. Voalohany, tsy maintsy mihinana voaloboka ianao miaraka amin'ny lakolosy tsirairay manondro ny amin'ny 12 alina. Maneho ny faniriana amin'ny taona hoavy ny voaloboka tsirairay. Rehefa avy mifamihina, mihinana tsakitsaky miaraka amin'ny champagne izahay. Tsy maintsy asiana peratra volamena ao anaty vera (mazava ho azy, tsy maintsy mitandrina tsara ianao mba tsy hitelina izany) mba hanehoana ny harena. Avy eo dia mivoaka ny trano avokoa izahay rehetra  ary miampita ny arabe miaraka amin'ny valizy (mampihomehy ny mahita ny mpifanolo-bodirindrina rehetra aminao manao izany) mba hangataka fitsangantsanganana. Ary farany, manipy rano eo am-baravarana ianao ary mamafa izany mba hiarovana ny trano amin'ny fialonana.

Ary tao amin'ny Twitter, nizara ny sakafo hariva tamin'ny Taombaovaony izy izay nahitana ny paella matsiro sy divay Shiliana maro!

 Paella and Chilean wine at friends' dinner table in Santiago, Chile. Photograph shared by @elicitizen on Twitter

Paella sy divay Shiliana teo amin'ny latabatra fisakafoanana hariva an'ny namana tany Santiago, Shily. Saripika nozarain'i @elicitizen tao amin'ny Twitter

Ho an'ny taona  2016 mahafinaritra! Araho tsy tapaka ny torohevitra isan-kerinandro !

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.