Ny mpanolotsaiko tato amin'ny Global Voices: Preetam Rai

Preetam Rai

Preetam Rai

Preetam Rai no mpanatitra ahy tato amin'ny Global Voices; nanasa ahy hanoratra ho an'ny GV izy tamin'ny taona 2006 ary nandrisika ahy hamaky bilaogy maro kokoa sy vavahadim-baovao an-tserasera hafa any Azia Atsimo Atsinanana.

Nihaona tamin'i Preetam aho nandritra ny Vovonana GV tany New Delhi tamin'ny taona 2006 ary nampahafantatra ahy ireo bilaogera sy ny mpanoratra GV hafa avy any Azia Pasifika izy. Rehefa lasa toniam-paritra GV ho an'i Azia Atsimo Atsinanana aho tamin'ny taona 2008 dia nanome ahy torohevitra sy taridalana maimaim-poana i Preetam amin'ny fomba tsara indrindra hitantarana sy hanasongadinana ny tantaran'ny tambajotra sosialy any amin'ny faritra.

Mpandray anjara GV miavaka izy: mitrandraka lalandava ny kolontsaina ao an-toerana, mifandray tsy tapaka amin'ireo mpisera namana ary liana tokoa amin'ny fanoratana tantara momba ny olona sy ny toerana izay mahalana no vakiantsika na rentsika avy amin'ny loharanom-baovao be mpanaraka.

Fantaro ary i Preetam, namana, mpiara-miasa, ary mpanolotsaina ao amin'ny vondrom-piarahamonina GV.

Mong Palatino: Oviana ianao no nanomboka nandray anjara tato amin'ny Global Voices? Inona no nanentana anao ho anisan'ny vondrom-piarahamonina GV?

Preetam Rai: I maintain a blog about my travels and interactions featuring South East and East Asia. Early on, my posts were featured on GV, Eventually, the SE Asia editor of the time invited me to contribute to GV. I was the SE Asian editor from mid 2006 to early 2008. I am myself very curious about cultures and countries and I immensely enjoyed interacting with people in the GV community.

Preetam Rai: Nitantana bilaogy momba ny dia nataoko sy ny fifandraisako tamin'i Azia Atsimo Atsinanana sy Azia Atsinana aho. Nanasa ahy ny toniandahatsoratra GV any azia Atsimo Atsinanana tamin'izany fotoana izany handray anjara tao amin'ny GV. Izaho no toniandahatsoratra Aziatika Atsimo Atsinanana nanomboka ny taona 2006 ka hatramin'ny voalohandohan'ny taona 2008. Tena nahaliana ahy ny kolontsaina sy ny firenena ary tena mahafinaritra ahy tanteraka ny nifandray tamin'ny olona tao amin'ny vondrom-piarahamonina GV.

Mong Palatino: Inona izao no ataonao? Ahoana no fomba nanampian'ny GV anao tamin'ny tetikasanao sasantsasany amin'izao fotoana izao?

Preetam Rai: I run and support community events and ground-up initiatives in South East Asia. Most of my projects are in the areas of education, cross- culture understanding, and technology. Many of the bloggers I met during my stint at GV are now my good friends and often support my initiatives.

Preetam Rai: Mitantana sy manohana ny hetsiky ny vondrom-piarahamonina sy ny tetikasa fanavaozana any Azia Atsimo Atsinanana aho. Amin'ny sehatry ny fanabeazana, ny fahatakarana ny fihaonan-kolontsaina ary ny teknolojia ny ankamaroan'ny tetikasako. Maro amin'ireo bilaogera izay nihaona tamiko nandritra ny fotoana nandalovako tato amin'ny GV no namako akaiky ankehitriny ary matetika manohana ahy amin'ny hetsika ataoko.

Mong Palatino: Inona ny hafatrao ho an'ny mpanoratra sy ny mpandika teny vaovao GV?

Preetam Rai: Digging into the online space and participating in local initiatives helped me deeply understand local cultures. This helped me professionally as I am often invited to consult on regional projects where the organisations are looking to build local communities. I would recommend GV contributors to be active beyond the online space, and make presentations at local and international events – I think the insights into local cultures that we have as part of GV is rare and unique.

Also, if you guys are ever in South East Asia or Japan, do message me – I will invite you for a coffee/beer/kvas/mate if I am around.

Preetam Rai: Nanampy ahy hahafantatra tsara ny kolontsaina ao an-toerana ny fitrandrahana tato amin'ny habaka an-tserasera sy ny fandraisana anjara tamin'ny fanorenana asa tao an-toerana. Nanampy ahy tamin'ny asako izany satria matetika aho no nahazo fanasana hijery momba ny tetikasam-paritra izay itadian'ny fikambanana hananganana vondrom-piarahamonina ao an-toerana. Ny mba havitrika ivelan'ny sehatra an-tserasera ary hiseho sehatra amin'ny lanonana eo an-toerana sy iraisampirenena no toro-hevitro ho an'ny mpandray anjara ato amin'ny GV  – Heveriko fa tsy fahita firy sady tsy manan-tsahala ny fahafantarana ny kolontsaina ao an-toerana izay hananantsika amin'ny maha mpikambana ato amin'ny GV antsika.

Ary, raha misy aminareo ry zalahy no any Azia Atsimo Atsinanana na any Japana dia andefaso hafatra aho – Hasaiko hiara-hisotro kafe / labiera / kvas / ianao rehefa any aho .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.