- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tongasoa eto Cambridge ry (avy any) Havana

Sokajy: Mediam-bahoaka, Tsidika, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV, firavoravoana
Elaine Diaz, Ellery Biddle and Ivan Sigal group selfie, in Cambridge Massachusetts for a Global Voices meetup.

Elaine Diaz, Ellery Biddle sy Ivan Sigal manao selfie, tao Cambridge Massachusetts nandritra ny fivorian'ny Global Voices.

Angamba ny ampahany tiako indrindra amin'ny maha-mpikambana ahy ao amin'ny Global Voicesy dia ny mahazo namana avy amin'ny faritra sasany eto amin'izao tontolo izao izay tsy fantatro tsara. Nandany fotoana betsaka tany Eoropa Atsinanana sy Azia, Amerika Latina aho talohan'ny nisarihan'i Global Voices ahy. Tsy izany intsony ankehtriny, noho ny fotoana laniako miaraka amin'ireo mpanoratra sy tonian-dahatsoratra maro avy ao amin'ny ekipa Amerika Latina ato amin'ny GV, tahaka an'i Solana Larsen (Pôrtô Rikô), Paula Goes (Brezila) sy Georgia Popplewell (Trinidad sy Tobago, miaraka amin'ny varavarankely ao Amerika Atsimo).

Ny herinandro lasa teo, tafaraka tao Cambridge Massachusetts nandritra ny fivorian'ny GV ny tenako sy Firuzeh Shokooh Valle [1], Ellery Biddle [2] ary Elaine Diaz [3], ka tany an-tranon'i Elaine izahay no nisakafo, niaraka tamin'ny arroz con frijoles, yucca nendasina, kisoa sy akondrolahy, no sady mipetrapetraka ao amin'ny tokontaniny mangingina sy maitso mavana. Elaine no mpanao gazety sady bilaogera Kiobana voalohany teo amin'ny tantara ka nahazo ny Vatsim-pianarana Nieman [4]tao amin'ny Oniversiten'i Harvard, ary efa herinandro vitsy izy izay no tao Cambridge. Niala an'i San Francisco nifindra teto ihany koa i Ellery, nahazo vatsim-pianarana niaraka tamiko ao amin'ny Foibe Berkman. Raha efa nandany fotoana teto taloha aza i Ellery, dia fiovana lehibe kokoa ho an'i Elaine, avy any Havana izany sy mizatra tanàna vaovao sy ny kolontsaina vaovao. Raha milaza izy fa fanamby izany, dia efa tafapetraka tao amin'ny trano mahafinaritra iray izy, sy efa nahita tsena teo an-toerana miaraka amin'ny fantina tsara indrindra amin'ny vokatra Kiobàna, niditra lalina tamin'ny fifantenany ny fianarana sy ny fampianarana izy, ary angamba ny tena zava-dehibe indrindra, dia vetivety dia lasa mpankafy ny Boston Red Sox [5] izy. Ho an'ny fomba fijerin'i Elaine momba an'i Kiobà indray, dia tsidiho ity resadresaka  [6]teo aminy sy i Ellery tamin'ny taona lasa ity, na ao amin'ny horirantava [7] New York Times tamin'ny taona lasa.

Efa an-taonany maro i Firuzeh no nonina tao Boston, ary angamba efa lasa fototra ho an'ny ekipantsika Amerika Latina izany ankehitriny. Raha mandalo ao amin'ny faritra ianao – dia tongava miarahaba, na tongava mitsidika anay ao amin'ny Berkman Center [8], ao amin'ny Nieman Foundation [9], na ny MIT Center for Civic Media [10], izay ahitanao an'i Ethan Zuckerman [11] ihany koa.