Inona no anarana tokony homentsika ny Podcast Newsroom GV?

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2016)

Photo by Flickr user Mingo Hagen. CC BY 2.0

Sary avy amin'ilay mpisera Flickr, Mingo Hagen. CC BY 2.0

Maso an'arivony manerantany no mamaky ny Global Voices isan'andro. Ahoana raha hanana sofina an'arivony mihaino ihany koa?

Manandrana manangana podcast izay mandinika ny vaovaon'ny herinandro sy/na miditra lalindalina kokoa amin'ny lohahevitra sasany ny efitra fanoratana. Saingy mila anarana isika! Zavatra maranitra, manintona ary mampiseho ireo karazana tantara lazaintsika.

Noho izany dia miantso ireo saina tia mamorona rehetra ao amin'ny fikambanana Global Voices izahay. Inona no tokony hiantsoana ny podcast? Ampahafantaro anay ato amin'ity tranonkala manaraka ity:

feedback.globalvoicesonline.org/forums/348960-gv-podcast

Any, afaka manome soso-kevitra sy mifidy ireo soso-kevitra tianao ianao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.