Mifanamby amin'ny mponiny ny tanàna Espaniola mba hihena 100.000 kg ao anatin'ny roa taona

Pulpo a feira, nahandro tena Galisiana. Sary tao amin'ny Flickr avy amin'i demi, CC BY 2.0 

Tamin'ny volana Janoary 2018, nametraka fanamby manokana ho an'ireo mponina ao aminy ny tanànan'i Narón, Espaniola, ao amin'ny faritra misy an'i Galicia: mihena 100.000 kilao raha atambatra ao anatin'ny roa taona.

Herintaona taorian'izay, dia toa an-dalana ho tratra ny tanjona. Ny volana Febroary 2019, 46 000 no fitambaran'ny kilao very teo amin'ny mponina.

Amin'ireo mponina 39.000, mila manary 1,5 kilao eo hoe eo hatramin'ny taona hoavy ny mponina tsirairay raha te-hahatratra ny tanjona. Ireo diso ngeza na “diso matavy be” miisa 15.000 – na ny  40 isanjaton'ny mponina ao an-tanàna, araka ny tarehimarika avy amin'ny Sampan-draharahan'ny Fahasalamana Galisiana no tena kendren'ny fanamby. Manantena ireo mpikarakara ny fanentanana fa ho very 10 isanjaton'ny lanjany farafahakeliny ity karazan'olona ity.

Dokotera Carlos Piñero, dokotera eo an-toerana izay manara-maso ny tetikasa, nilaza tamin'ny gazety Diario de Ferrol hoe:

Desta forma diminuiríase o índice de mortalidade en Narón en 1,5 puntos co que este concello pasaría a rexistrar a mortalidade máis baixa de Galicia, que se situaría entre as mellores de España.

Amin'izany fomba izany, dia hihena 1.5 venty ny taham-pahafatesana ao Narón, ka io distrika io no hanana taham-pahafatesana ambany indrindra eto Galicia, ary ho anisan'ny ambany indrindra any Espaina.

Natomboky ny ben'ny tanàna Marián Ferreiro niaraka tamin'ireo mpikambana 14 ao amin'ny filankevitry ny kaominina ao Narón tamin'ny 25 Janoary 2018 ny fanentanana antsoina hoe “100.000 Motivos de Peso” [adika ara-bakiteny amin'ny teny Espaniôla hoe “Antony 100.000 ho an'ny Lanja”]. Ny dingana voalohany natao tamin'izany dia ny fandanjana ireo manamboninahitry ny kaominina rehetra, izay 117.450 kilao no fitambaran'ny lanjan'izy ireo.

Nandritra ireo volana voalohany, nentanina ny fahazarana ara-tsakafo ara-pahasalamana sy ny fikarakarana ara-batana tsy tapaka avy amin'ny fanohanan'ny filankevitry ny kaominina, ireo fikambanana, sekoly ary ny vondrom-piarahamonin'ny mpitsabo.

Milaza ny dokotera Piñeiro fa nahatsikaritra zavatra mahazatra ao an-tanàna amin'ny fomba fiaina tsy tia mivoaboaka (mijanona ao an-trano) sy ny matavy be loatra. Olana roa lehibe eo amin'ny fiarahamonina ireo, izay maro loatra no diso matavy. Nilaza izy fa ny volana Aogositra 2018, nanary 2,5 kilao isam-bolana ireo mpandray anjara, na dia tsy nisy aza ny tahiry ofisialy tamin'izany fotoana izany. Nanomboka teo, dia nanana mpandray anjara mavitrika 6.000 ny fanentanana.

Ankoatra ny fanatsarana ny fahasalamana ho an'ny mpandray anjara tsirairay, dia misy ihany koa ny tombony ara-toe-karena, satria matetika tsy dia mandany vola amin'ny fitsaboana ny vondrom-piarahamonina salama kokoa.

Noho izany fandraisana andraikitra izany, nahazo ny mari-pankasitrahana Loka Eoropeana momba ny Hatavezana be loatra 2018 tamin'ny sokajy Fandaharan'asa Fandraisana anjara Tsara indrindra teo amin'ny Vahoaka ny vondrom-piarahamonina Narón. Raha niresaka tamin'ny gazety ny dokotera Piñero, dia nanamarika fa nomena azy ireo ny loka noho ny “fandraisan'n'ny vaoaka anjara tamin'ny tetikasa iombonana izay mampitambatra ny ady sy ny fisorohana amin'ny hatavezana be loatra ary ny firaisankina.”

Raha ny marina dia manana endrika fiaraha-mientana ny hetsika. Amin'ny fihenana iray kilao isaky ny mpandray anjara, hahazo sakafo na ronono tsy mety simba ny Foibem-Piraisankina an'i Narón, “mba hampisy fepetra ara-pahasalamana mitovy [eo amin'ny mponina]”, araka ny nanamarihan‘ny ben'ny tanàna Marián Ferreiro.

Misy ihany koa ireo mpiara-miasa lasa mialoha, araka ny nolazain'ny dokotera Piñeiro:

Un grupo de abuelos (…) preguntó qué estaban haciendo en los colegios porque sus nietos se negaban a comer patatas fritas. (…) [Los niños de Narón] son investigadores de su entorno y del tipo de dieta que realiza su familia y de cuánto camina.

Nanontany anay izay zavatra nataonay tany an-tsekoly ny vondron'ny raibe sy renibe iray(…) satria tsy nety nihinana frity frantsay ny zafikelin'izy ireo. (…) Mpandalina momba ny manodidina azy [ny ankizy avy ao Narón] sy ny karazana sakafo misy eo amin'ny fianakavian'izy ireo ary ny halavitry ny dia an-tongotra ataon'izy ireo.

Fifantohana amin'ny lanja?

Nahazo fanakianana maromaro ny fanentanana noho ny fifantohana amin'ny fahaverezan-danja – na dia nanantitrantitra aza ny dokotera Piñeiro fa natao indrindra hampiroboroboana ny fomba fiaina ara-pahasalamana ny fandaharan'asa.

Ohatra, nilaza i Yolanda Cambra, manam-pahaizana momba ny fahaizana ara-pihetseham-po fa zava-dehibe kokoa ny fampiharana fahazarana ara-pahasalamana noho ny fahaverezan-danja fotsiny. Nanoratra tao amin'ny tranonkalany izy hoe:

Pero ¿por qué no llamarla 100.000 motivos de salud? Si centran el interés en adelgazar, están reforzando la idea equivocada que asocia delgadez con salud.

(…) La iniciativa, propuesta por los médicos de los centros de salud, consiste en varios puntos, como:

  • Rutas de caminatas por la naturaleza.
  • Talleres de nutrición.
  • Los hosteleros se suman ofreciendo menús saludables.

Pero esto no es estar a dieta, señores. Comer sano y tener actividad física debería ser el modo de vida de toda la población.

(…) Me parece estupendo que se tomen medidas para que un sobrepeso no llegue a obesidad. Pero utilizar con tanta alegría los términos “kilos” y “dieta para adelgazar” puede conseguir el efecto contrario.

Maninona no tsy nantsoina hoe antony 100.000 ho an'ny fahasalamana? Rehefa mifantoka amin'ny fahaverezan'ny lanja izy ireo, dia manamafy ny hevi-diso hoe mifandray ny hakelezana amin'ny fahasalamana.

(…) Ny tetikasa, natolotr'ireo dokotera any amin'ny tobim-pahasalamana, dia misy hevitra maromaro, toy ny:

  • Lalana fandehanana an-tongotra manavatsava ny natiora.
  • Atrikasa momba ny sakafo.
  • Mpitantana hotely mampiroborobo ny sakafo ara-pahasalamana.

Saingy tsy anisany amin'ny famerana sakafo ihany izany. Ny fisakafoanana ara-pahasalamana sy ny fikolokoloana ara-batana no tokony ho fomba fiaina ho an'ny vahoaka manontolo. (…)

Heveriko fa mahafinaritra ny mahita ireo fepetra izay mikendry hisoroka ny fahatavezana. Saingy mety ho mifanohitra amin'ny vokatr'izany ny fampiasana amim-pifaliana ny teny hoe “kilao” sy ny “sakafo hampihanan-danja” .

Mandritra izany, mizara momba ny tetikasa sy ny vokany ihany koa ireo mpisera Twitter:

Misaotra. Tsy maintsy atsahatsika ity loza ity.

Narón, kaominina avy any Coruña, Espaina, nanolo-kevitra hihena 100.000 kilao ao anatin'ny 2 taona. Ary salama tsara izy ireo. Ny herin'ny Fitsaboana ara-pianakaviana sy ara-piarahamonina.

Mandeha tongotra bebe kokoa, misakafo tsara, mankafy & mifampiraharaha.

Mitranga amin'izao fotoana izao ny TANTARA. @motivosdepeso

Sioka: Kongresin'ny tsaboina ao @AreaUnoArrixaca. Manapa-kevitr any hihena 100.000 kilao ao anatin'ny roa taona ny mponin'ny tanàna iray. Avy amin'ny fianakaviana dokotera ao #Narón (#Galicia) ny tolo-kevitra.

Lohateny amin'ny sary: ​​”Mponina ao an-tanàna manapa-kevitra hihena 100.000 kilao ao anatin'ny roa taona”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.