Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

12 Jolay 2019

Tantara tamin'ny 12 Jolay 2019

Marie Bohner: GV no nahazoako fahatokisantena hanoratra

Blaogim-Piarahamonina GV

Frantsay ny reniny ary Alemàna ny rainy, tanaty tontolo iraisampirenena sy miteny fiteny maro no nitomboan'i Marie Bohner satria tanaty taranja iraisampirenena izy no nobeazina. Hatramin'ny fahazazàny, nanana namana avy aminà firenena sy lafivalo isankarazany izy, izay tonga mitondra ny kolontsain-dry zareo, ny mozikany, ny fiteniny, ny fomba nahazatra azy...

Mampiseho ny fanaovan’ny governemanta antsirambina ny toeram-bakoka any Bangladesh ny fandravana ny tranobe tranainy efa 150 taona

"Nanana endrika niavaka izay tsy fahita firy amin’ireo tranobe hafa hita any amin’ireo faritra tranainy ao Dhaka ny tranobe. Noho izany, nilaina ny fanarenana azy."

Topimaso amin'ny fahitàna vehivavy amerindiàna any anaty sarimihetsika meksikàna

Carmen Martínez ("At' Anni'", 2019), Ángeles Cruz ("Arcángel", 2018) ary Yalitza Aparicio ("Roma", 2018) no anaran'ireo vehivavy indizeny meksikàna fantatry ny olona eo amin'ny sehatra erantany.

Avy ao Strasbourg miaraka amin'ny fitiavana an'ireo Teny

Blaogim-Piarahamonina GV

Fihaonana tamin'i Suzanne Lehn, mpiara-mamoaka lahatsoratra ao amin'ny Global Voices ao Frantsa. Mpanoratra ao amin'ny GV i Suzanne sady mpandikateny avy ao Strasbourg, Frantsa, ary mpankafy fivezivezena.

Mifanamby amin'ny mponiny ny tanàna Espaniola mba hihena 100.000 kg ao anatin'ny roa taona

Nametraka fanamby manokana ho an'ireo mponina ao aminy ny tanànan'i Narón, Espaina, ao amin'ny faritra misy an'i Galicia: very 100.000 kilao ao anatin'ny roa taona. An-dalana ho tratra izany tanjona izany

Miara-misakafo amin’ny ben’ny tanana ny Kazakhs bilaogera sasany, ny hafa kosa ampidirina am-ponja

GV Mpisolovava

Bilaogera Kazakh telo no nogadraina am-ponja nandritra ny 10 andro noho ny fanaovana hetsi-panoherana teo ivelan'ny trano fisakafoanana izay nihaonan'ny ben'ny tanàna tamin'ireo bilaogera tao an-toerana.

Ny zavatra maro ataon'i Gabriela García Calderón

Blaogim-Piarahamonina GV

Iray amin'ireo mpanoratra sy mpandika teny mavitrika indrindra ato amin'ny Global Voices i Gabriela García Calderón. Tia ny mamaky sy manoratra tantara momba ny fiainana andavanandron'ny olon-drehetra manerana an'izao tontolo izao ity mpisolovava ity.