- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tongasoa eto amin'ny Global Voices i Connie Moon Sehat

Sokajy: Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny taona 2016)

Connie Moon Sehat

Ry namana GVers,

Faly aho mampahafantatra an'i Connie Moon Sehat [1], talen'ny tetikasa vaovao ho an'ny tetikasa News Frames!

Manana fahaizana tsy dia mahazatra sy hafa i Connie, [2] ary tokony ho fameno lehibe ho an'ny fiarahamonintsika. PhD momba ny tantara izy, ary mpandriafitra rindrambaiko sy arshitekta” tobin-tahiry tsy mitady tombontsoa ara-bola izay nandany ny ankamaroam-piainany tamin'ny asa maha-olombelona nomerika. Avy ao amin'ny Foibe Carter izy, izay tale mpiara-miasa amin'ny Fandaharana ho an'ny Demaokrasia, ary namolavola ny Open ELMO Initiative [3], sehatra tovozona malalaka ho an'ny fifidianana sy ny fanarahamaso ny zon'olombelona. Izy koa no mpiara-mitantana ny Zotero [4], rindrambaiko fanomezana fanamarihana sy toro-boky noforonina ho an'ny Foiben-Tantara sy ny Media Vaovao tao amin'ny Oniversite George Mason. Miteny Anglisy, Alemana, Frantsay ary Koreanina kely i Connie.

Manomboka amin'ity herinandro ity i Connie, ary tena liana amin'ny firesahana amin'ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonin'ny GV mikasika ny asa, ny traikefa momba ny famoronana tantara, ny olana sy ny filàna ara-teknolojika, ary ny faniriana.

Ho fampahatsiahivana anao, ny tetikasa NewsFrames [5] dia hamorona fitaovana nomerika sy dingana famoahana hanaovana fandalinana haingana ny endrika sy ny fironana media antserasera eo amin'ny tsenan'ny fampitam-baovao manerantany, ary mitarika fikarohana momba ny resadresaka, ny vaovao ary ny mediam-bahoaka manerantany. Ny tanjonay dia ny hamoaka famintinana ireo tantara malaza, lehibe sy zara raha notaterina isaky ny firenena sy lohahevitra, ary koa ireo tantara mifototra amin'ny angon-drakitra sy ny olana mivaingana izay azo avy amin'ny fikarohana.

Raha mandroso ny NewsFrames, dia hitady mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina liana amin'ny fiaraha-miasa momba ny hevitra, ny rafitra ary ny fanandramana ny fifamoivoizan'ny asa famoahana, ary amin'ny farany, amin'ny sehatra izay hatsangantsika miaraka amin'ny Center for Civic Media [6] an'ny MIT Media Lab, izay misy an'i Ethan Zuckerman [7]mpiara-nanorina ny GV.

Faly izahay manana ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina GV sy ny hafa liana amin'ny fiaraha-miasa aminay ary mizara ny traikefany sy mandray anjara amin'ny fampandrosoana. Raha liana ianao, dia manehò hevitra eto amin'ity lahatsoratra [teny anglisy] ity azafady, na manorata mivantana any amin'i Connie ao amin'ny pejin'ny mpanoratra [1].