- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Inona no voaray tamin'ny fitsapan-kevitra natao tamin'ny vaomieran'ny vondrom-piarahamonina

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, Filankevitra-gv
What topics interest you most as a writer or translator?

Zavon-tenin'ny valim-panontaniana malalaka tamin'ny fitsapan-kevitra natao ho an'ny Filan-kevitry ny vondrom-piarahamonina Global Voicesl: Inona no lohahevitra mahaliana anao indrindra amin'ny maha-mpanoratra na mpandika teny?

Nandritra ny herinandro vitsy lasa, nandinika ireo vokatra sy valim-panontaniana an-tsoratra maimaim-poana avy amin'ny fitsapana ny hevitry ny Vondrom-piarahamonina izahay ary miasa mba hahatonga ireo tolo-kevitrareo sy ny hevitrareo ho drafitra azo iasàna. Faly izahay mahita fa mifanaraka tsara amin'ireo lohahevitra efatra rehetra ny vokatra avy amin'ny Filankevitra, ary mitondra antsika any amin'ny tari-dalana mazava.

Amin'ny toe-javatra sasany, dia mazava tsara ny valiny ka afaka mampihatra fanovana haingana araka ny tokony ho izy izahay. Amin'ny toe-javatra hafa indray, dia manana safidy mazava momba izay tokony hataontsika isika, saingy mila fotoana hiasàna ny fomba hanaovana azy ireo. Amin'ireo olana ireo, dia miandrandra ny hiara-hiasa aminareo izahay amin'ny fanandramana ireo hevitra sy ny fitadiavana vahaolana.

Indreto ny sasantsasany amin'ireo zava-baovao hitanay manokana fa mahaliana:

Topics & Focus, Question 3, GV Community Council

Fitsapan-kevitry ny vaomieram-piarahamonin'ny Global Voices 1, lohahevitra sy fifantohana, fanontaniana 3: Inona, ho anao, no mamaritra tsara ny ezaka famoahan-dahatsoratra mahomby? Global Voices Community Council Poll 1, Topics & Focus, Question 3: What, for you, best defines a successful editorial effort?

Degrees of Professionalization, Poll 2, Question 4

Ny Fitsapan-kevitry ny vaomieram-piarahamonina Global Voices 2, Tahan'ny maha-matihanina, Fanontaniana 4: Inona no anjara asa tianao hiandraketana indrindra ao amin'ny Global Voices?

Ny teboka iray mety hifandirana: raha mankasitraka ny fandraisana anjara, na mitarika ireo tetikasam-pikarohana sy famoahana ny ankamaroantsika, dia te-hahita fifandanjana sy fizarana ara-drariny ny loharanom-bola eo amin'ireo faritra misy antsika sy ny tetikasa isika. Ho sarotra izany, satria ny fitadiavam-bola ho an'ny asa fikarohana sy famoahana kendrena dia tsy azo ihodivirana fa hiteraka loharano bebe kokoa ho an'ny faritra sy lohahevitra sasany. Mila miasa amin'ny fomba tia mamorona isika mba hahitana fomba hamaliana ireo faniriana roa ireo.

Hamoaka lahatsoratra bilaogy hafa tsy ho ela isika amin'ny fanomezana vaovao ho anao mikasika ny fivoaran'ny tetikasa. Aza miala!