- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Isabella Mukanda-Shamambo: Niverina aho!

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, Lahatsoratra voalohany

(Lahatsoratra tamin'ny volana Martsa 2016)

Efa hatramin'ny volana Aogositra 2012 aho no tsy nanoratra ho an'ny GV. Tany an-tsekoly aho nanohy ny fianarako tamin'ny fahalianako manoratra ary vao avy nahazo ny diplaomako aho. Mbola manohy ny fianarako aho hahazoana diplaoma aho kanefa te hanohy ny fandraisako anjara ato amin'ny GV indrindra tamin'ny fahalasanan'i Gershom Ndhlovu izay nankafiziko tamin'ny fanoratany mikasika ny vondrom-piarahamonina Zambiana.

Na dia avy any Zambia aza aho dia tiako kokoa ny manoratra momba ny vondrom-piarahamoniko eto Atsimo Andrefan'i Florida izay toerana nonenako nandritra ireo folo taona lasa. Na dia izany aza, tena liana amin'ny fizarana izay zava-mitranga any Zambia ihany koa aho na dia sarotra aza izany ary na dia nandany fotoana aza tamin'ny voalohany.

Tsotra kokoa noho ny fitomboan'ny fahavitrihan'ny vondrom-piarahamonina Zambiana eny amin'ny tambajotra sosialy rehetra ny fifandraisanay amin'ny firenena, ny fahafantarana ny zava-mitranga any ary izay miseho amin'ny ankapobeny.

Anisan'ny tena mahaliana ahy indrindra  ny fampidirana ny fandaharan'asa FAST Africa satria filohan'ny Fikambanam-pampandrosoana ao Zambia aho fony tany an-toerana ary nitarika fikarohana, fampielezana vaovao sy fampiasana teknolojiam-baovao izahay. Tena tonga lafatra Izany fandaharan'asa iray izany ho an'ity fikambanana ity ary manantena aho fa amin'ny traikefa ananany sy ny hetsika sy fandaharan'asa nosoratan’-dry zareo sy notantarainy nandritra ny taona, dia hahita hirika izy ireo tsy amin'ny fandraisana anjara ihany fa ho anisan'ny mpanatanteraka ny programa rehetra ao an-toerana ihany koa.

Faly aho fa miverina ato amin'ny GV ary manantena aho fa hampiavaka ny GV ny fisiako, indrindra fa ao amin'ny vondrom-piarahamonina Zambiana.