- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitambatra hanohitra ny fanilikilihana anti-LGBTQ+ i Myanmar taorian'ny fahafatesan'ilay tanora pelaka, mpiandraikitra tranomboky iray

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Mediam-bahoaka, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT)
[1]

Sarin'i Kyaw Zin Win avy amin'i Aung Myo Min, mpitarika ny zon'ny LGBTQ+ sady talen'ny Equality Myanmar. Nalaina tao amin'ny lahatsoratra Facebook manambara ny hetsi-bavaka ho an'i Kyaw Zin Win eo anoloan'ny Anjerimanontolon'i Myanmar Imperial ny sary. 

Ny 23 Jona 2019, namela fanamarihana mampalahelo tao amin'ny pejiny Facebook i Kyaw Zin Win [2], 26-taona mialoha ny namonoany ny tenany. Nanoratra izy hoe: “[Myanmar] dia firenena maneso ny mari-panondroana sy ny fisian'ny olona iray”.

Niasa ho mpiandraikitra tranom-boky tao amin'ny Oniversite Myanmar Imperial [3] izy, ary voalaza fa rahodrahonan'ireo mpiara-miasa aminy amin'ny maha-pelaka azy izy. Nilaza tamin'ny antsipirihany [4] momba ireo fanamarihana mamaivay mankahala pelaka voarainy avy amin'ireo zokiny (lehibeny) ny pejiny Facebook.

Niparitaka haingana tao amin'ny Facebook, tranonkala tambajotra sosialy lehibe indrindra ao Myanmar ny tantarany, ka nisy nizara in-13.000 ny lahatsorany ary niteraka fangorahana lehibe teo amin'ny vahoaka. Maro ireo mpiserasera nanova ny sary famantarana azy ireo tamin'ny Pride. Tao anatin'ny iray andro monja, dia nalain'ny haino aman-jery eo an-toerana, eny amin'ny faritra  [5]sy iraisampirenena  [6]ny vaovaon'ny fahafatesany mahatsiravina.

Raha maro ny olona naneho fotsiny ny fiaraha-miory sy ny fanohanana ny renibeny [7], izay izy no mpikarakara azy, ny hafa kosa nitaky [8] fepetra henjana avy amin'ny anjerimanontolo. Niteraka fanehoan-kevitra 4.400 ny lahatsoratra tokana [9] avy amin'ny pejy Facebook-n'ny Oniversite, ka manohana an'i Kyaw Zin Win ny ankamaroany ary manontany ny kolontsain'ny toeram-piasan'ny sekoly sy ny fampiharana ny politika iadiana amin'ny fanavakavahana.

Nokarakarain'ireo fikambanana LGBTQ+ [10]maro eo an-toerana kosa ireo valin-tenim-bahoaka marobe natao ivelan'ny haino aman-jery sosialy mba hitakiana ny rariny amin'ny fandaminana ny asany. Natrehin'ireo  [11]havana, namana, mpikatroka LGBTQ + sy mpanohana azy an-jatony ny lanonam-pandevenana azy tamin'y 26 Jona. Nilaza [12] i Letyar Tun, iray amin'ireo vahoaka mpisaona fa niantraika tamin'ny maro izay taitra tamin'ny fanavakavahana anti-LGBTQ + ny fahafatesan'i Kyaw Zin Win. Nampiany koa fa nantsoin'ny olona sasany tamin'ny fandevenana ho toy ny martiora izay nanao sorona ny ainy mba hampisehoana ny fijalian'ny vondrona LGBTQ + i Kyaw Zin Win.

Raha ny marina, dia nanasongadina ny fanavakavahana ireo olona LGBTQ + any Myanmar ny tantaran'i Kyaw Zin Win. Mbola tsy ara-dalàna ny firaisan'ny pelaka ao Myanmar eo ambanin'ny fehezan-dalàna famaizana efa tamin'ny fanjanahantany Section 377 [13].

Nanazava tamin'ny Irrawaddy News [14] i Hla Myat Tun, tale lefitry ny vondrom-piarovana ny zon'ny LGBTQ + Color Rainbow [15], fa maneho ny ampahany kely fotsiny amin'ny fanavakavahana miorim-paka momba ny ara-pananahana sy ny lahy-vavy izay tafiditra ao amin'ny andrim-panjakana maro any Myanmar ny zava-niainan'i Kyaw Zin Win. Nalahelo izy fa manamafy ny fanavakavahana ny lalàna misy eo amin'ny firenena :

We need interest from our members of parliament as right now their political interest in the protection of LGBT people is zero.

The government must take responsibility and ensure that schools and workplaces guarantee a safe place for people. If not, such tragic events will not stop. […] People have started becoming aware that discrimination is unacceptable, but we need a set of policies, guidelines and codes of conduct stated in writing.

Mila ny fahalianan'ny mpikambana ao amin'ny parlemanta izahay amin'izao fotoana izao fa tsy misy mihitsy ny fahalianan'izy ireo ara-politika amin'ny fiarovana ny vahoaka LGBT.

Tokony handray andraikitra ny governemanta ary manome toky fa miantoka ny fanomezana toerana azo antoka ho an'ny vahoaka ny sekoly sy ny toeram-piasana. Raha tsy izany, tsy hijanona ny toe-javatra mahatsiravina toy izany. […] Nanomboka nahafantatra ny olona fa tsy azo ekena ny fanavakavahana, saingy mila andiana politika, torolalana sy fitsipi-pitondran-tena voalaza an-tsoratra isika.

Nathan, vahiny mpanoratra avy ao amin'ny Fikambanana Orana Fikarohana momba ny Lahy sy ny Vavy [16], nanoratra bebe kokoa amin'ny tokony hanomezan-tsiny ny “lalànan'ny fiarahana lahy sy vavy ao amin'ny firenena” amin'ny fanosehana ny olona ho amin'ny fetra ary nanontany koa izy raha hiteraka hetsika ara-tsosialy goavana ny zava-nitranga tahaka izao hiantso fanoherana ny famoretana:

[…] ဖိနှိပ်မှုမျိုးစုံရှိနေတဲ့ ဒီနိုင်ငံမှာ လက်ရှိစံနှုန်းတွေကို ပြန်ဆန်းစစ်တဲ့ လူမှုတော်လှန်ရေးတစ်ရပ် ပေါ်သင့်နေတာကတော့ နှစ်အတီတေကတည်းကပါပဲ။ ဒီလူငယ်လေးနှစ်ယောက်ကို အကြောင်းပြုလို့ လှုပ်ရှားမှုတွေပေါ်လာနိုင်မလားပေါ့။ အဲဒီ့နေရာမှာလည်း LGBT movement ဆိုတဲ့ identity politics ဆိုတာထက်ကျော်လွန်ပြီး ချောင်ထိုးဖိနှိပ်ခံရတဲ့အုပ်စုတွေ (မိန်းမ၊ လိင်တူချစ်သူ၊ လူနည်းစုတိုင်းရင်းသား အခြေခံ အုတ်မြစ်လူတန်းစား စသဖြင့်)အားလုံး ပေါင်းစည်းပြီး လှုပ်ရှားကြမယ်ဆိုရင် ပိုမိုအားကောင်းအောင်မြင်နိုင်မယ်လို့ ယုံကြည်ပါတယ်ဆိုတဲ့အကြောင်း … ။ ။

[…] Amin'ity firenena ahitana karazana famoretana marobe ity, efa ela no nandrasana ny revolisiona sosialy manohitra ny fenitra ara-tsosialy misy ankehitriny. [Manontany tena aho] raha hisy fihetsiketsehana ara-tsosialy mifototra amin'ireo tranga ireo, ireo zatovolahy roa ireo [miresaka momba ny tranga famonoan-tena LGBTQ+ tany aloha]. Ary eto aho dia mino fa raha hiaraka hanao fihetsiketsehana tsy ho an'ny hetsika LGBT sy ny politikan'ny maha-izy ihany isika rehetra, fa hanao hetsika ho an'ireo rehetra atao anjorom-bala (ny vehivavy, ny pelaka, ny foko vitsy an'isa, ary ny vahoaka saranga ambany), dia hatanjaka kokoa isika ary hahomby …

Fifohazana masiaka manoloana ny fihoarana iaretan'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ + any Myanmar ny fahafatesan'i Kyaw Zin Win. Saingy naneho fotoana tsy fahita firy mba hitambarana sy hiresahana momba ny fanamafisana ny fanentanana ho fiarovana ny zon'olombelona ho an'ny LGBTQ+ tsirairay ny fanohanan'ny vahoaka sy ny firaisankina tsy nampoizina taorian'ny nahafatesany.

Ny antony voalohany mahatonga ny famonoan-tena dia ny famoizam-po tsy voatsabo. Azo tsaboina ny famoizam-po ary azo sorohana ny famonoan-tena. Afaka mahazo fanampiana avy amin'ny laharana fanohanana tsiambaratelo manoloana ny famonoan-tena sy ireo krizy ara-pihetseham-po ianao. Tsidiho ny Befrienders.org [17]  raha hijery fanampiana momba ny fisorohana ny famonoan-tena ao amin'ny firenenao.