Fitiavana sy labiera

Lehibe tamin'ny toerana azo antoka aho.
Tanàna mangina 15km miala ao Paris,
Nanana herinaratra sy rano fisotro 24/7 izahay,
Sakafo anaty vata fampangatsiahana,
Hafanana amin'ny ririnina sy hena atono ao an-jaridaina mandritra ny lohataona.
Nisy foana izany rehetra izany.
Tamin'ny taona 1995, tamin'izaho 12 taona, nisy fanafihana tao amin'ny metro.
Nisy baomba nipoaka tao Paris. 8 no maty.
An-jatony ireo naratra.
Nandritra ny fialan-tsasatra asara izany.

15km no misy ahy.
Ho ahy, sary amin'ny fahitalavitra fotsiny izany.
Rehefa nanomboka tamin'ny volana Septambra ny sekoly,
Ny hany fiantraikany dia nofoanana ny fitsangatsanganan'ny sekoly.
ary noferana ny toerana fijanonan'ny fiara akaikin'ny sekoly.
Natahotra ny ray aman-dreny ary nahafantatra ny dikan'ny “fampihorohoroana” aho’.

Nitohy ny fiainana

Zoma 13, 2015
Tiako foana ny zoma faha-13.
Nandray izany foana ho fambara tsara.
Io ihany indraindray no andro hividianako tapakila loteria.
Nandeha nisotro niaraka tamin'ny namana iray aho. Vao avy niori-ponenana tao Paris izy, ka niezaka nanandrana ireo trano fisotroana toaka isan-karazany izahay.
Tara aho ka tsy maintsy nandoa labiera roa taminy.
600 metatra lavitra no nanomboka ny tifitifitra.
Nahafantatra tsikelikely ny zava-nitranga izahay,
mijery ny vaovao,
manontany tena izay tokony hataonay,
Nisotro foana izahay. Farany, tsy naninona izahay.

Asabotsy
Nifoha tamim-pahatezerana aho.
Aretin'an-doha sy aretina azo tamin'ny zava-nitranga.
Nieritreritra be momba ireo labiera nozaraiko tamin'ny taona lasa aho:
Labiera Sunset (Masoandro milentika) tany Malapascua,
Labiera Rooftop (Tafo-trano) tany Cebu,
Labiera Rooftop miaraka amin'ny “klioba mahay fiteny maro” any Sydney,
Labiera eny amoron-dranomasin'i Kapas.
Nisy fiantraikany goavana teo amin'ny fiainako ireo karazana “karajia” tamin'ny herintaona,
ny fahalalako an'izao tontolo izao, ary ny fahatakarako ny hafa.
Mila zavatra bebe kokoa isika.

Alahady
Mangina i Paris androany.
Matetika be olona sy maresaka i Paris.
Mihomehy eny an-dalambe ny tanora,
Miresaka mafy eo anoloan'ny tsangambato ireo mpizahatany,
Mampaneno anjomara ireo mpamily tezitra,
Maneno isaky ny fijanonana ny metro …

Mangina i Paris androany.
Misaona i Paris.

Alatsinainy

Daozy tafahoatra izany.
Daozy tafahoatra amin'ny “Manga fotsy mena”.
Tiako foana ny sainam-pireneko, fa tsy androany.
Sary horirantava,
Opera Sydney,
Ny vavahadin'i Brandebourg any Berlin,
Pearl Tower (Tilikambo Perla) any Shanghai,
Tetezan'ny Tilikambo (Tower Bridge) any Londra.
Kristy ilay Mpanavotra any Rio …
mihira ny “La Marseillaise” izao tontolo izao.

Niteraka onjam-pihetseham-po lehibe ny fanafihana an'i Paris.
Ho ahy, dia toy ny Tsunami izany.
Ary ahoana ny momba an'i Beirota, Ankara, Baghdad …?

Tsy vanona ireo mpampihorohoro.
Na aiza na aiza, tsy vanona izy ireo.

Mitovy ny fanaintainana na aiza na aiza.
Mitovy ny tahotra na aiza na aiza…
Ny fitiavana ihany koa.

Tsara vintana aho.
Afaka matory amin'ny toerana azo antoka.
Afaka mody aho amin'ny Asabotsy maraina.
Mandro amin'ny rano mafana.
Mandefa ny fahitalavitro.

Voaaro avokoa ny fianakaviako sy ny namako.
Mbola manana herinaratra sy rano fisotro 24/7 aho
ary sakafo ao amin'ny vata fampangatsiahana.
Eny, salama aho. Ary eny, matahotra aho.
Mahatsiaro marary mihitsy aza aho.
Fantatro fa hitranga indray izany.
Manao izany foana izy, eto na any.
Na aiza na aiza misy eto amin'izao tontolo izao.
Paris, Beirota, Ankara, Baghdad?
Na aiza na aiza.
Tontolontsika izany.
Fiainantsika.

Hanohy hiaina aho.
Hanohy hijery fampisehoana.
Mety hanomboka handeha ho any an-kianja mihitsy aza aho.
Ary hanohy hisotro labiera miaraka amin'ny namako.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.