- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ampahafantarina anao i Yazmín Novelo, mitantana ny @ActLenguas mandritra ny herinandron'ny 10 – 16 Jona

Sokajy: Mediam-bahoaka, actlenguas

Sary natolotr'i Yazmín Novelo

Ho an'ny 2019, nanasa maromaro mba hampiantrano ny kaonty Twitter  [1] @ActLenguas [2] izahay, mba hizara ny zavatra niainan-dry zareo ho fanomezana aina vao sy ho fampiroboroboana ny fitenindrazany. Ao anatin'ity lahatsoratra fanolorana ity, fantaro misimisy kokoa ny momba an'i Yazmín Novelo (@yaznovelo [3]) sy izay vinavinany horesahana mandritra ny herinandro maha-mpampiantrano azy

RV: Lazalazao anay ny momba anao:

Avy any Peto Yucatán aho, mpiangaly mozika, profesora ary mpamokatra fandaharana anaty onjampeo. Mino aho fa ny fanilihana azy sy ny toerana sarotra misy ny teninay dia misy ifandraisany amin'ny tsy fisianà politika, ny tsy firaharahiana ataon'ireo andrim-panjakana ary ny fanavakavahana mifototra aminà ideolojia miiba sy diso momba ny Maya sy ny kolontsainy. Izany no antony aminavinàko hoe ny famokarana ara-kolontsaina sy ireo media dia tena ilaina be tokoa amin'ny famerenana ny tena tantaran'ny vakoana Maya.

RV: Ny toerana misy ny fiteninareo amin'izao fotoana izao, eny anaty sy ivelan'ny aterineto?

Teny meksikàna faharoa be mpiteny indrindra ny Maya raha raisina ny hoe ity faritra ity dia nomena ho an'ny Nahuatl izay misy fiteny misampana efa ho 20 mahery; samihafa amin'ny fiteny Maya, fitambaran'olona maherin'ny antsasaka tapitrisa mpiteny tsy miambakavaka sy mifandray tsara amin'ny alàlan'ny  “maaya t’aan”, antsoina araka izany hoe  “maya”. Any anatin'ireo fampahalalambaovao teknolojika, misy ireo hetsika ataon'olontokana sy miparitadritaka, indrindra fa an'ireo tanora izay mampiasa ny fiteny maya rehefa mifandray amin'ny alàlan'ny tambajotra sosialy nomerika, ny sasany amin'ny alàlan'ny bilaogy, saingy indrindra indrindra fa any anatin'ny tontolon'ny fandikàna ireo sehatra toy ny Firefox sy Facebook.

RV: Ny lohahevitra kasainao hifantohana mandritra ny herinandro itantananao ny kaonty @ActLenguas?

Rehefa ireo vazimba teratany no asiana resaka, mazana no mirona mankany amin'ny fanambaniana, amin'ny fanehoana ny fahantràna, ny vokatry ny rafitra iray izay nampisamboaravoara ny fiainanay; kanefa, zavadehibe ny fijerena ny hakanto sy ny herinay; ny finoana fa hoe mihoatra lavitra noho izay lazaina momba anay izahay. Tanjoko ny hampiseho amin'ireo vahoaka Maya mbola miaina, mbola mihetsika ary ao anatin'ny fahalehibeazany, satria zavadehibe ny mahafantatra fa mbola misy izahay noho ny fahafahanay mijoro sy manohitra, hotohizanay eto izany ankehitriny noho ny fahafahanay mandray an-tànana ny hoavinay.

RV: Inona no tena nandrisika anao ho lasa mpikatroka nomerika ho an'ny fiteninao? Inona no nofinofinao ho an'ny fiteninao?

Nofinofiko ny ho afaka hiaina ao anatin'ny fiteniko na koa mba hahafahan'ireo taranako ho avy hanao toy izany. Mba hahatanteraka izany, zavadehibe ny mankasitraka hoe afaka mifanaraka tsara amin'ny vanimpotoana rehetra ny fiteninay, tsy fitenin'ny ntaolo, fa fiteny iray nentindrazana miaraka amin'ireo fahafahana rehetra hilazàna ny tontolo ankehitriny, izany no antony maha-zavadehibe ny hitenenana azy eny an'arabe sy any anaty fantsona nomerika. Miaina any rehetra any ireo Maya amin'izao andro izao, afaka ny ho toy izany koa ny fiteninay.