Fivoriana NewsFrames: Boston, Septambra 2016

Salama daholo! Araka ny nampanantenaina vao haingana, nanana fanombohana tsara ny NewFrames ary te-hampahafantatra anao ny zava-mitranga izahay.

Noraisin'i Ethan sy ireo namana  MIT Media Lab avy ao amin'ny MediaCloud i Ivan, Georgia, ElleryJeremy ary ny tenako amin'ny maha-“new-kid-on-the-block”  na tary vao tonga amin'ny tanàna anay mba hanamasahana ity tetikasa ity.

A lot of deep thinking going on? 

Famolavolana sy famolavolana indray, famintinana ny fizotry ny asan'ny ekipa GV NewsFrames.

Goavana ny adihevitra, mandrakitra ny zava-misy avy amin'ny fomba fiasan'ny fitaovana MediaCloud hatramin'ny hoe afaka manome tari-dalana vaovao ho an'ny GV amin'ny ankapobeny ve ireo fitaovana ireo. Misy, ohatra, ireo zavatra tena saro-bidy sy matanjaka izay azon'ny fitaovana Media Cloud atao. Afaka manampy antsika hahatakatra tsara kokoa ny fahitana fa “mamaritra” na mamolavola ny endriky ny firenena ireo zavatra ireo, ary afaka hahazoana fahalalana lalina amin'ny fomba hamokarana sy hizarana vaovao sy fomba fijery.

A view of the attention that Mexico received from 20 major sources in 2014

Ny fitsidihana azon'i Meksika avy amin'ny gazety 20 lehibe tamin'ny taona 2014, araka ny fitaovana Media Meter Focus an'ny MediaCloud (19 Septambra 2016)

Misy roa ny fanamby lehibe – matetika ny MediaCloud sy ireo bankinangodrakitra lehibe hafa mampiditra fianarana biloka izay tsy mora ho an'ny mpiserasera vaovao ny miditra aminy ao anatin'ny minitra vitsy. Ankoatra izay, raha toa ka mora kokoa ho an'ny sasany ny lafiny ara-teknika,  dia zavatra efa nohatsarain'ireo karazana manam-pahaizana sasantsasany kosa ny fanamby amin'ny famolavolana sy fanoritan-joro fanadihadiana iray ho lasa rafi-pampahalalam-baovao: tena iankinan'ny ain-dehibe ny fahafahana manavaka eo amin'ny Malagasy sy ny Espaniola, na ny fiavahan'ny kolontsaina Afovoany Atsinanana sy Azia Atsimo. Noho izany, na dia karazana olona, toa ahy, nientanentanana momba ny network diagrams na ny voambolana toy ny mpandady sy hala aza ianao, dia mbola tsy hamokatra vokatra mahafa-po ity karazana asa ity raha miasa irery.

 

 

One analysis of media sources during the Trayvon Martin controversy, Graeff, Erhardt, Stempeck, Matt, AND Zuckerman, Ethan.

 A network diagram of media sources nandray anjara nandritra ny fampisehoana ny Trayvon Martin mampiadihevitra. SARY: Erhardt Graeff et al.1 A network diagram of media sources involved during a stage of the Trayvon Martin controversy. IMAGE: Erhardt Graeff et al.1

Iray amin'ireo fomba hivoaran'ny NewsFrames ny manome antoka fa hampiroborobo ny tontolo iainana ho an'ny vakijejy iaraha-manao izy. Amin'izao fotoana izao izahay mieritreritra fa hiara-hanohy ny “fanadihadiana” amin'ny fikarohana NewsFrames ny “Ekipa NewsFrames”, amin'ny alàlan'ny mpitarika/mpiandraikitra sy ny mpikambana ao aminy. Fantatsika ihany koa fa tianay hanohana ireo mpanoratra sy tonian-dahatsoratrantsika ity fitaovana ity na te-hahazo tombontsoa na tsia amin'iny fitaovana MediaCloud ny ekipa. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia fantatsika fa tsy ny fampiasana ny siansa momba ny angon-drakitra na ny tanjaky ny antontanisa ihany ny famotopotorana misy porofo, fa ny tena zava-dehibe indrindra dia ny famaritana ireo fahafaha-manao sy ny fanamby mba hanombohana araka ny tokony ho izy.

Na ahoana na ahoana, na dia natomboka aza ny fananana hevitra mikasika ny fomba fitondrana sy ny fanandramana, ary koa ny fanohizana fanaingoana, dia nofarananay tamin'ny fahatsapana fahavitrihana ny fivoriana naharitra herinandro (indrindra taorian'ny fihaonana GV tamin'ny Alakamisy alina!). Hanome vaovao farany ho anao hatrany izahay ary hijery ireo hirika azo trandrahana.

Ivan, Jeremy, Ellery, Ethan, Georgia, and Connie (a.k.a. NewsFrames Gang) at the MIT Media Lab, September 15 2016

Ivan, Jeremy, Ellery, Ethan, Georgia, ary Connie ao amin'ny MIT Media Lab, 15 septambra 2016

Aza misalasala toy ny mahazatra mampahafantatra anay ao amin'ity adiresy ity na koa amin'ny alàlan'ny adiresy mailaka mikasika izay fanontaniana na fanehoan-kevitra. .

Mandram-pihaona, Connie

___

1 Graeff, Erhardt, Matt Stempeck, sy Ethan Zuckerman. “Ny Tolona ho an'ny ‘Trayvon Martin’: Mandrakitra an-tsarintany ny media mampiadihevitra antserasera sy ivelan'ny aterineto.” (“The Battle for ‘Trayvon Martin’: Mapping a Media Controversy Online and off-Line.”) First Monday 19, no. 2 (28 Janoary 2014). http://firstmonday.org/ojs/index.php/fm/article/view/4947.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.