- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ao amin'ny Fanjakana Britanika, mankalaza ny faha-17 taona niverenan'ny fahaleovantenan'i Timor-Leste ny Timorey

Sokajy: Timor Atsinanana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina

Samy maneho ny ekipany ao amin'ny fifaninanana amboara IV tamin'ny 20 mey ny Timorey. Saripikan'i Dalia Kiakilir, GV.

Samy nankalaza ny famerenana ny fahaleovantenan'i Timor-Leste nambara tamin'ny 20 mey 2002 avokoa ny Timorey manerana izao tontolo izao, tamin'io daty voatondro io tamin'ity taona ity, rehefa nobodoin'i Indonezia izy tamin'ny taona 1976.

Nandray ny lanonana “20 mey” izay nomanin'ny Timorey monina ao amin'i UK ny Oniversiten'i Oxford Brookes, ao an-tanànan'i Oxford, UK. Nahitana singa ara-kolontsaina sy ara-panatanjahatena ny lanonana, ka tafiditra amin'izany ny fihodinana fahaefatra amin'ny baolina fandaka “Amboara 20 Mey” niaraha-nanomana tamin'ny Timorese Sports Association.

Nanatrika ny lanonana ny mpanoratra ary niresaka tamin'i Acácio Marques, iray amin'ny mpanomana. Hoy izy:

Acácio Marques, filohan'ny komity mpanomana ny lanonana 20 Mey, 2019. Saripikan'i Dalia Kiakilir, nahazoana alalana.

Hau hanoin loron espesial ne’e furak tebe-tebes ba ita hotu, atu hametin liu-tan ita nia unidade. Atu hateten katak hau haksolok tebes ho ita hotu nia prezensa iha fatin ne’e hodi hahi’i, hanai ita nian loron Restaurasaun Independensia.

Ho ahy, andro manokana sy mahafinaritra ho an'ny Timorey ity andro ity, fomba iray hanamafisana ny firaisankinanayy. Tiako fotsiny ny milaza fa tena faly aho amin'ny fanatrehan'ny rehetra eto amin'ity kianja hanajana ny famerenana indray ny fahaleovantena ity.

Nanatrika ny lanonana i Joaquim da Fonseca, ambasadaoron'i Timor-Leste ao amin'ny Fanjakana Britanika amin'izao fotoana izao. Tamin'ny lanonam-panokafana, niantso ny tanora i Fonseca sy i Marques mba hahatsiaro mandrakariva ny lanjan'ilay daty ankalazaina.

Ny Ambasadaoro Joaquim da Fonseca miresaka amin'i Dália Kiakilir, mpanoratra ity tantara ity. Saripikan'i Arlindo Fernandes, nahazoana alalana.

In an interview, Fonseca highlighted:

Iha ita nia istoria iha loron barak ma’ak marcante, importante, maibe dia 20 de maio ita hili hanesan loron ida, de facto, ohin, ita restaura ita nia independensia. Entaun, tinan-tinan, ita komemora no hanoin katak 20 de Maio relembra buat hotu-hotu nebe’e akontese durante tinan barak, desde estranjeiru sira tama iha ita nia rain, hanesan seculos barak portugues sira iha timor, iha indonesia nia tempu to’o ita ukun-a’an. Komesa husi buat sira nebe’e halo ema triste, halo ema haksolok, sakrifisiu, esforsu, avansu, retrosesu, ne’e ma’ak ita hanoin, entaun, ohin ita halo reflexaun oinsa Timor ne’e konsegue rekonquista nia liberdade?

Manana daty lehibe maro ny tantaran'i Timor-Leste, saingy ny andron'ny 20 Mey, [ho] antsika, Timorey, no andro anamarihantsika ny famerenana amin'ny laoniny indray ny fahaleovantenantsika. Ka isa-taona isika mahatsiaro sy mieritreritra fa mampahatsiahy antsika izay zavatra rehetra nitranga ny 20 Mey, hatramin'ny nidiran'ny vahiny teto amin'ny firenentsika, ohatra, an-jato taonan'ny imperialisma paortiogey teto Timor, ny fananiham-bohitr'i Indonezia mandra-pahatonga ny fahaleovantena. Hafaliana, alahelo, sorona, tolona, fandrosoana, fihemorana. Izany no eritreretintsika, avy eo isika androany, mieritreritra ho ahoana no nataon'i Timor hahazoana indray ny fahafahana.

Ny vondrona ara-kolontsaina Wehali, avy ao Northford. Saripikan'i Ike de Castro, nahazoana alalana

Tanàna britanika maro no nandray anjara tamin'ny fifaninanana amboara football 20 Mey fahaefatra, ao anatin'izany ireto: FC Académica, FC Tazlekar, FC Timor Peterborough, FC Cultura Peterborough, FC Unidus A Yarmouth, FC Unidus B Yarmouth, FC Santa Cruz, FC Timorese, AC Mayluan, AS Makara, FC Souro, FC Fortuna, FC Brigwater, FC Ox-Til sy ekipa roa avy any Irlandy avaratra, dia ny FC Foin Sae Timor sy ny FC Assuwain NI.

Ny FC FoinSa'e, vondrona 8, ekipa mpandresy. Sarin'i Ike de Castro, nahazoana alalana.

Nahazo ny loka fanintelony misesy tamin'ity fifaninanana ity ny ekipan'i irlandy avaratra, FC Foin Sa’e Timor (“Tanora Timorey Football Club”). Niteny ny coach Hélio Alin hoe:

Ami mai iha ne'e hodi defende ami nia titulo no lori piala ba ami nia uma dala ida tan.

Tonga eto izahay hiaro ny anaram-boninahitra ary hitondra mody indray ny amboara.

Nomena ny lokan'ny mpanazatra tsara indrindra tamin'ny fifaninanana i Alin.

Nitohy tamin'ny alalan'ny fampisehoana dihy nataon'ny tarika Wehali avy any an-tanànan'i Northford ny lanonana avy eo, ary nifarana tamin'ny alalan'ny dihy an-trano nisokatra ho an'ireo rehetra tonga.