Ambara ny fiarahamiasa eo amin'ny Wikinews sy ny Lingua Global Voices ho fanohanana ny votoatin-tserasera Arabo!

Faly aho manambara ny fiarahamiasa eo amin'ny Wikinews sy ny Lingua Global Voices mba hanohanana ny votoatin-tserasera Arabo.

Nanomboka nandritra ny WikiArabia 2017 tany Kairo ny hevitra momba ny fiaraha-miasa eo amin'ny Lingua Arabo sy ny Wikinews Arabo.

Ny Wikinews dia tetikasa Wikimedia izay tarihan'ny vondrona mpirotsaka an-tsitrapo manana iraka hanolotra vaovao azo antoka, tsy mitongilana ary manan-danja. Nanomboka tamin'ny taona 2004 ny tetikasa, miaraka amin'ny lahatsoratra Arabo 4076 navoaka hatramin'ny 1 febroary, nametraka ny teny Arabo ho eo amin'ny toerana faha-12 amin'ny fiteny 33.

Ny Lingua Global Voices dia tetikasa iray tarihan'ny ekipa mpilatsaka an-tsitrapo iraisam-pirenena, izay mandika ny tatitra avoakan'ireo tonian-dahatsoratray sy ny mpanoratray any amin'ireo firenena 167 ao anatin'ny efi-panoratana mahaleotena ary virtoaly tanteraka, ary koa miasa amin'ny fandikan-teny amin'ireo tetikasa Global Voices; AdvoxRising Voices sy NewsFrames.

Hatramin'ny nanombohan'ity fiarahamiasa ity, tafakatra toerana faha-10 ny laharan'ny Wikinews Arabo, noho ny fandefasana lahatsoratra Arabo Lingua 3682 tamin'ny alalan'ny roboto جار الله [Jarallah]. Hiseho ao amin'ny Wikinews isan-kerinandro ny fandefasana vaovao.

Ny fametrahana kopia fanampiny ao amin'ny Wikinews dia hanome aina vaovao ho an'ny lahatsoratra, mifototra amin'ny endrika fanoratana misokatra ao amin'ny Wikinews. Ho hita ao amin'ny sehatra Wikimedia ivelan'ny aterineto amin'ny alàlan'ny endrika tahiry ZIM, izay azo jerena ao amin'ny Kiwix ny votoaty Lingua Arabo.

Hanampy ny votoaty Arabo ao amin'ny Wikipedia ireo mpanitsy lahatsoratra sy mpandray anjara Lingua Arabo.

Miasa mba hanitatra ity fiaraha-miasa ity ho amin'ny fiteny maro hafa kokoa izahay! Aza misaraka aminay!

Raha mila fanazavana misimisy kokoa dia mifandraisa aminay:

جار الله [Jarallah], roboto developera tompon'andraikitra amin'ny fampidirana ireo lahatsoratra Lingua Arabo.

Helmi Hamdi na Helmoony, tonian-dahatsoratry ny Wikinews ary mpitantana ny Wikipedia Arabo.

Mohamed ElGohary, Mpitantana ny Lingua Global Voices.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.