Miara-miasa ny Meedan sy ny Lingua mba handika ny RightsCon ho amin'ny teny Espaniola sy Arabo

Niara-niasa tamin'ny Meedan ny Lingua mba handika ireo sioka RightsCon ho amin'ny teny Espaniôla sy Arabo, manomboka ny alarobia 30 martsa ka hatramin'ny zoma 1 aprily 2016.

RightsCon is the world’s leading conference convened on the future of the internet. This year will see a bigger, brighter, and better RightsCon, more dynamic and outcome-oriented than ever before. The conference shapes the global conversation among human rights experts, business leaders, technologists, human rights experts, government representatives, investors, and advocates.

Fihaonambe lehibe manerantany natokana momba ny ho avin'ny aterineto ny RightsCon. Hahita RightsCon lehibe kokoa, maranitra kokoa sy tsara indrindra kokoa, ary mavitrika kokoa sy miompana bebe kokoa amin'ny vokatra noho ny teo aloha ny amin'ity taona ity. Mamolavola ny resadresaka manerantany eo amin'ireo manam-pahaizana momba ny zon'olombelona, ​​ireo mpitarika orinasa, ireo mpikirakira teknolojia, ny solontenam-panjakana, ireo mpampiasa vola ary ireo mpanandrateny ny fihaonambe

Mandray anjara mavitrika amin'ny RightsCon eo amin'ny resaka fanadihadiana, fizarana ary fananganana tambajotra eo anivon'ireo mpanatrika ny Twitter. Saingy amin'ny valan-dresaka iraisam-pirenena tahaka izany, dia ny fiteny indraindray no mety ho sakana amin'ny fandraisana anjara. Miara-miasa amin'ny Meedan sy Access Now ankehitriny ny Lingua Global Voices mba handika ireo sioka amin'ny teny Anglisy navoakan'ireo mpandahateny sy mpandray anjara amin'ny teny Arabo sy Espaniola.

Araho ny dikanteninay ary tohano ny ezaka:

  • Araho, avereno ary zarao. Araho ny kaonty roa natsangana ho an'ny fihaonambe ao amin'ny @RightsCon3rabi sy @RightsCon2Es
  • Mpilatsaka an-tsitrapo amin'ny maha mpandika teny. Manana fahaizana mandika teny ve? Te-handray anjara? Mifandraisa amin'ny hello@speakbridge.io

Mientanentana izahay amin'ny fahafahana manao ny sasany amin'ireo fifanakalozan-kevitra amin'ity fihaonam-be lehibe ity ho hita sy azo idiran'ireo izay manaraka ny aterineto Arabo sy Espaniola.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.