Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Mandray ny anaran'ireo Venezoeliana mitady fialofana i Trinite sy Tobago mba haha-ara-dalàna azy ireo

Venezoeliana mitady fialokalofana milahatra ivelan'ny zaridaina lavalava an'i Queen's Park ao Port of Spain tamin'ny andro voalohany amin'ny fanoratan'ny governemanta ny anaran-dry zareo, izay mametraka azy ireo ho ara-dalàna ao Trinite sy Tobago ary mamela azy ireo hiasa herintaona. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube navoakan'ny TTT Live Online.

Mizotra amin'ny fomba ofisialy ankehitriny ny fizotram-pisoratana anarana izay nampanantenain'ny governemantan'i Trinite sy Tobago ampidirina ao anatin'ny ezaka haha-ara-dalàna ireo Venezoeliana mitady fialokalofana. Fandraisana an-tanana maharitra roa herinandro, izay nanomboka tamin'ny 31 mey 2019 no manome famotsoran-keloka ireo Venezoeliana tsy manan-taratasy mba ahafahan-dry zareo misoratra anarana sy ankatoavina ao Trinite sy Tobago.

Ahafahan'ireo mpitady fialokalofana miasa mandritra ny herintaona ihany koa ny fisoratana anarana, fepetra noraisina tokony hampihena araka izay tratra ny fanambakàna mety atrehin'ny maro.

Nandositra ny fireneny nankany amin'ireo firenena mifanolotra sisitany aminy ny Venezoeliana vokatry ny olana ara-politika mianjady amin'ny firenena, izay nampiakatra ny herisetra, nanampy trotraka ny toe-piainana efa mahonena ary miteraka tsy fisian-javatra ilaina andavanandro tahaka ny sakafo, ny fitaovam-pidiovana ary ny fanafody. Ao amin'ny toerana mifanakaiky aminy indrindra, miorina 14 kilaometatra monja avaratr'i Venezoelà ny firenena nosy-kambana misy an'i Trinite sy Tobago.

Manombana ny kaomisera ambony ao amin'ny Firenena Mikambana misahana ny mpitsoa-ponenana, UNHCR, fa mihoatra ny iray alina ny “mponina voakasika” ao Trinite sy Tobago — ao anatin'izany ny mpitsoa-ponenana miisa 800 sy ny mpitady fialokalofana miisa 9.985, ka avy any Venezuelà ny ankamaroan-dry zareo.

Na izany aza dia manontany tena i Rhonda Maingot, lehiben'ny Living Water Community, sampan-draharahan'ny UNHCR napetraka hitantana ny fampanorenam-ponenana ireo Venezoeliana mitady fialokalofana hoe firy marina moa no tena handray anjara amin'izany. Efa nilaza sahady ny minisitr'i Trinite sy Tobago misahana ny fiarovam-pirenena, Stuart Young, fa tsy “karatra fivoahana ny fonja” izao fizotra izao ary mahatsiaro ho marefo ireo olona maro nandositra ny firenena.

Namoaka fanambaràna i Erika Guevara Rosas, talen'ny Amnesty International manerana ny kaontinantan'i Amerika, roa andro mialoha ny heverina hanombohan'ny fizotram-pisoratana anarana. Raha noarahabain'ny fikambanana ho mety ilay fandraisana an-tanana, dia nanontaniany hoe ampy ve ny fehim-potoana tapabolana napetraka:

Amnesty International […] would like to receive further information about how your government proposes to process all the applicants in such a limited period of time, and how it plans to safeguard the confidentiality of those that register and ensure that it does not fall into the hands of the Venezuelan authorities.

Tian'ny Amnesty International ny hahazo torohay fanampiny amin'ny fomba ataon'ny governemantanareo handraisana ireo rehetra misoratra anarana ao anatin'izany fotoana voafetra izany, ary ahoana ny kinasany hiarovana ny tsiambaratelon'ireo nisoratra anarana sy hiantohana fa tsy ho tonga any am-pelatanan'ny manampahefana venezoeliana izany.

Noraisin'i Soyini Grey, mpanao gazety, ho ompa ny fomba fiteny sy ny feon'ny Amnesty. Tao amin'ny sata Facebook iray nosoratana an-takonana (nahazoana alalana ny famoahana azy eto) no nilazany hoe:

I try to be a mature thinking adult, but Lord if I didn't say that Amnesty International was a trigger I lie.

They could have a point with which I agree, but always with a superior tone, that makes me see red.

‘…while it wel­comes the Gov­ern­ment’s plan to reg­is­ter Venezue­lans in this coun­try, it wants as­sur­ances that the con­fi­den­tial in­for­ma­tion re­ceived will not fall in­to the hands of the Venezue­lan Gov­ern­ment.’

I mean, why would you need to say that? You feel that we are savages who don't know what the word ‘confidential’ means? […]

Miezaka aho ny mba ho olon-dehibe eo amin'ny fisainana, saingy mandainga aho Tompo raha tsy milaza fa mpisintona lakolosy ny Amnesty.
Mahazo isa ry zareo amin'izay itoviako hevitra amin-dry zareo, saingy matetika mahaboramena ahy ny fomba fiteny mianjonanjona.
‘… raha arahabainy tongasoa ny drafitry ny governemanta hampanoratra ny anaran'ireo Venezoeliana eto amin'ity firenena ity, tiany ny hiantohana fa tsy ho tonga any am-pelatanan'ny manampahefana venezoeliana ny tsiambaratelon'ireo nisoratra anarana’
Ny tiako lazaina, nahoana ianareo no mila miteny izany? Mahatsapa ve ianareo fa (adala) saovazy izahay ka tsy mahalala ny dikan'ny hoe ‘tsiambaratelo'?

Tsy vao sambany i Trinite sy Tobago no voakapoka tahaka izany. Nahazoana teny maharary avy amin'ny UNHCR, sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny mpialokaloka, ny fampodian'ny firenena ireo Venezoelana miisa 82 tamin'ny Avrily 2018, izay niantso izany fihetsika izany ho “fampodiana ankaterena” izay manitsakitsaka ny lalàna iraisampirenena.

Na dia nametraka lalàna nasionaly hamahana ny raharaha manery momba ity mpitady fialokalofana ity aza ny filankevitry ny governemantan'i Trinite sy Tobago tamin'ny taona 2014, dia tsy nampiharin-dry zareo izany. Tao amin'ny fanambaràna iray ho an'ny UNHCR, nilaza ny governemanta fa na dia tonga tany amin'ny Dinan'ny Fialokalofana tamin'ny taona 1951 aza, ary na dia efa nanao sonia ny Dinan'ny Firenena Mikambana iadiana amin'ny andian-jiolahy Transnasionaly sy ny Dinan'ny Firenena Mikambana amin'ny fiarovana ny zon'ireo mpiasa rehetra mifindramonina sy ny fianakaviany aza ry zareo, ny fahabangàna eo amin'ny lalàna “no nanelingelina ny fampiharana ny fotokevitry ny fiarovana ireo mpitsoa-ponenana sy mpitady fialokalofana.”

Vokatr'izany dia lasa mpifindramonina tsy manan-taratasy ireo olona mpitady fialokalofana, ireo vahoaka tsy manam-panjakana, eny fa na dia ireo efa ahazo ny satan'ny mpialokaloka avy amin'ny UNHCR aza, ka kely na tsy misy ny fiarovana sady — araka ny tatitra iraisampirenena momba ny mpitsoa-ponenana nivoaka tamin'ny Janoary 2019 hoe — “terena ho any amin'ny tsy ara-dalàna”.

Izao fisoratana anarana izao no ahafahan'ny Venezoeliana nitsoaka mitaky ambaratongam-piarovana izay mahahoatra lavitra ny filazan'ny Lalànan'ny Fifindramonina ao Trinite sy Tobago, izay mihazona ireo mpifindramonina tsy manan-taratasy ho azo tanana, ampandoavana onitra ary averina an-tanindrazana.

Samy nanana ny heviny ny olona manoloana ity fanoratana anarana ity. Raha nanamarika ny maro fa efa mba mpifindramonina ihany ny ankamaroan'ny olom-pirenen'i Trinite sy Tobago, ny hafa kosa matahotra fa tsy hahazaka ny vesatra ara-toekarena ny firenena.

Taorian'ny toe-javatra vao nitranga haingana naharendrika ny sambo iray feno Venezoeliana niainga avy ao an-tanànan'i Guiria ao Venezoelà ho ao Trinite, milaza ny sasany fa mety handrisika ny mpitady fialokalofana ho sahisahy ny fandrenesam-baovaon'ny fanoratana ny anarana.

Tsy navelan'ny mpisera Facebook iray antsoina hoe Joseph Drayton handalo fotsiny izany toe-javatra izany tamin'ny famoahany hoe:

[On May 30, on which Trinidad and Tobago celebrates Indian Arrival Day] we celebrated the #Arrival of a people seeking a better life. They came with different names, cultures, physique and language. We are who we are because they came.

24 hours later our offsprings shouting ‘#sendthemback … to others coming.

[Tamin'ny 30 mey izay ankalazan'i Trinite sy Tobago ny Androm-pahatongavan'ny Indiana no] nankalazantsika ny fahatongavan'ny olona nitady fiainana tsara kokoa. Tonga nitondra anarana, kolontsaina, toe-batana ary fiteny hafa ry zareo. Izay no mahaisika antsika satria tonga ry zareo.
24 ora taty aorian'ny nihiakiahan'ny zanatsika hoe #averenoanyireo … mba hahatongavan'ny hafa.

Mandritra izany fotoana izany, milaza ny manampahefana ao an-toerana fa efa tsara fiomanana amin'ny fandraisana olona maro dia maro hisoratra anarana ao anatin'ny tapabolana. Hifarana ny 14 jona 2014 ity raharaha ray ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.