Translator Newsletter: SEO tsotsotra, Fampiharana fandikan-teny ho an'ny marenina ary tantara hafa!

Lingua

Miarahaba!

Tongasoa eto amin'ity fizarana taratasim-baovaon'ny mpandikateny ity! Androany isika dia hiresaka momba ny…

Mandika ny fomba fitenin'i Trump

Screenshot taken from http://qz.com/

Pikantsary nalaina tao amin'ny http://qz.com/

Ho fanamarihana ny fifidianana amerikana amin'izao fotoana izao (fantatro, fa angamba niresaka be momba izany ianao. Saingy tsy maintsy misisika amin'ny zavatra kely aho alohan'ny hifaranan'izany rehetra izany!), Nihevitra aho fa mety mahaliana ny manondro ity lahatsoratra ity, izay navoakan'ny Quartz mikasika ny fandikana ny lahatenin'i Donald Trump sy ny fahasarotana tamin'ny fandikana izany. Manoratra i Lila MacLellan,

“His NSFW language, malapropisms, chants in B flat, and twisted logic have perplexed translators around the world.”

“Ny fiteniny NSFW, ny fahadisoan-teny, ny hirany mankany amin'ny bémol, ary ny fivadibadihan'ny fanjohin-kevitra no nahasanganehana ireo mpandikateny manerana izao tontolo izao.”

Nanatsoaka hevitra momba an'i Trump mifototra amin'ny lahateniny izahay izay miteny Anglisy, saingy raha tsy azo adika ny teniny, dia inona no fiantraikan'izany eo amin'ny fomba fijerin'ny any ivelany any amin'ny firenena tsy miteny Anglisy?

Ok. Vita. Mampanantena aho. Miverina amin'ny fandaharam-potoana mahazatra isika.

SEO tsotra dia tsotra ho an'ny tranonkalao mahaleotena

Screenshot taken from http://www.thoughtsontranslation.com

Pikantsary nalaina tao amin'ny http://www.thoughtsontranslation.com

Tsy dia zavatra iray izay andaniantsika fotoana isaky ny fifohazana ny SEO, na Search Engine Optimization [fanatsaran-daharana ao amin'ny mili-pitadiavana], fa zava-dehibe amin'ny fananganana ny marika antsika tsirairay manokana amin'ny maha mpandikateny mahaleotena sy ny manao haivarotra amin'ny tenantsika. Ny SEO amin'ny ankapobeany dia manoritsoritra ny fomba fisarihan'ny tranonkalanao ny mpijery rehefa mikaroka ny karazana tolotra omenao ny olona.

Ahoana anefa no ahazoantsika antoka fa manana fisiana tsara indrindra antserasera isika? Corinne McKay ao amin'ny Thoughts on Translation manome antsika fomba fijery fototra momba ny fanombohana ny SEO sy ny fomba ahafahantsika manatsara ny fisiana antserasera. Fantaro ato ny mikasika izany rehetra izany!

Fampiharana fandikan-teny ho an'ny marenina

Screenshot taken from http://chicagoinno.streetwise.co

Pikantsary nalaina tao amin'ny http://chicagoinno.streetwise.co

Alao sary an-tsaina hoe na aiza na aiza nalehanao, tsy nisy olona nahatakatra ny tianao lazaina ary nila olona foana ianao handika ny zavatra rehetra nolazainao. zavatra iainana mahazatra ireo olona marenina sy mampiasa ny Tenin-tanana Amerikanina ho toy ny fitenin'izy ireo voalohany izany. Saingy eto ny Dr. Rosalee Wolfe, mpampianatra ao amin'ny Sekoly momba ny informatika ao amin'ny Oniversite DePaul mba hanampy! Miasa amin'ny famoronana “teknôlôjia izay miasa tahaka ny karazana Google Translate ho an'ny Marenina izy: Miresaka amin'ny programa ny olona ary misy sarintava mihetsika mandika ho amin'ny tenin-tanana amerikana.”Mahafinaritra, sa tsy izany? Dingana goavana ho an'ny sehatry ny fandikan-teny izany ary iray amin'ireo tsy noeritreretin'ny olona marobe! Vakio bebe kokoa ato.

Mianatra fiteny any aoriana any

Screenshot taken from http://www.huffingtonpost.com

Pikantsary nalaina tao amin'ny http://www.huffingtonpost.com

Naheno ny tsirairay, tamin'ny fotoana iray na hafa, fa mianatra fiteny haingana kokoa noho ny olon-dehibe ny ankizy. Saingy marina ve izany? Milaza ny manam-pahaizana fa angamba tsy izany! Emma Brancatisano tao amin'ny Huffington Post, namoaka lahatsoratra mahatalanjona antsoina hoe “Tena sarotra tokoa ve ny mianatra fiteny iray rehefa antitra ianao? izay mitodika any amin'ny manam-pahaizana mba handinika ny votoatin'ity fanontaniana ity. Ho anareo izay nianatra fiteny efa olon-dehibe, ahoana ny hevitrao? Misy fahamarinane ve ao amin'izany?

Sariitatry ny herinandro

translationcartoon—————

Toy ny mahazatra, misaotra anareo rehetra noho ny asa mafy ataonareo sy ny fanoloran-tenanareo ho an'ny GV! Raha manana fanontaniana, fanehoan-kevitra na hevitra ianao, dia aza misalasala mandefa mailaka aty amiko ao amin'ny marianna@globalvoices.org.

Raha sambany mamaky ity taratasim-baovao ity ianao ary te-hiaraka amin'ny Global Voices dia lazao anay bebe kokoa ato ny momba anao!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.