Takiana ny Tinder ankehitriny mba hizara ny tahirin'ny mpiserasera any amin'ny manampahefana Rosiana

Afaka mahazo ny tahirin'ny mpiserasera Rosiana ao amin'ny Tinder ankehitriny ny sampan-draharaham-piarovana Rosiana // Ithmus ao amin'ny Flickr, araka ny CC2.0 

Ny 31 martsa 2019, nampiditra ny Match Group LLC, orinasa niavian'ny fampiharana Tinder, ao amin'ny rejisitrany momba ireo “mpikarakara ny fanaparihana ny fampahalalam-baovao ao amin'ny aterineto” ny sampan-draharahan'ny sivana Rosiana, Roskomnadzor (Servisy Federaly ho Fanarahamaso ny Fifandraisana, ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao sy ny Haino Aman-jery). Namoaka ny vaovao tamin'ny Alatsinainy 3 Jiona ny Roskomsvoboda, FTMF misahana zo ho fahalalahan'ny aterineto sy ny zo nomerika Rosiana:

Nampiditra ny Tinder tao amin'ny rejisitrany ny Roskomnadzor amin'ny anaran'ny FSB [sampam-pitsikilovana anatiny ao Rosia] mba hanaramaso ireo mpiserasera.

Raha ny tena izy, dia midika izany fa ny Tinder, tahaka ireo tranonkala hafa miisa 174 ao amin'ny rejisitra izay ahitana ny ankamaroan'ny tolotra media sosialy Rosiana, ary koa ireo fampiharana fandefasan-kafatra tahaka ny Threema sy Telegram dia takian'ny lalàna Rosiana mba hitahiry ireo lahatahirin'ny mpiserasera nandritra ny enim-bolana ary manome azy ireo izany any amin'ny manampahefana Rosiana rehefa angatahana. Ny tahiry izay tsy maintsy tehirizina sy zaraina, araka ny lalàna 2014, dia ahitana ny zavatra rehetra mifandraika amin'ny “fandraisana, famindrana sy fizarana ary (na) fikirakirana ireo fampielezam-peo, hafatra an-tsoratra, an-tsary, feo na hafatra elektronika hafa.” Tsy maintsy manaja ireo lalàna Rosiana hafa koa izy ireo, toy ny lalàna tsy voafaritra tsara izay mandràra ny fitaovana (votoaty) “extremista” na “mamoaka vaovao mampidi-doza ho an'ny ankizy tsy ampy taona.”

Tsara koa ny manamarika fa rehefa tafiditra ao amin'ny lisitry ny Roskomnadzor dia farafaharatsiny takiana ny fandraisana anjara amin'ny fitodian'ny tolotra: rehefa hangatahan'ny ministera, dia tsy maintsy manome fampahalalana azo antoka izy ireo izay hampidirina ao anaty tobin-dahatahiry avy eo, izay midika fa namaly ny taratasin'ny Roskomnadzor ny Tinder ary nanaiky izany. Nilaza tamin'ny Kommersant, gazety ara-pihariana Rosiana mpivoaka isan'andro ny solontenan'ny Tinder fa na dia efa voasoratra anarana tao amin'ny angon-drakitry ny fanjakana Rosiana aza izy ireo taorian'ny fangatahana ofisialy, dia tsy nieritreritra velively hizara ny tahirin'ny mpiserasera any amin'ny manampahefana Rosiana izy ireo.

Ny vaovao tsara dia tsy ampy fampiharana ireo lalàna ireo, indrindra ho an'ireo tolotra goavana iraisam-pirenena. Mety hitarika fandoavana onitra hatramin'ny 3 hetsy robla, na latsaka kely ny 4.500 dolara Amerikana ny tsy fanajana ny fangatahana  – izay tsy ampy hanakatonana ny Tinder na ny tompony Match Group. Tsy azo inoana ihany koa fa mety hikatona ao Rosia tsy misy fanehoan-kevitra goavana ny tranonkala malaza toy ny Tinder. Tsy hoe ny minisiteran'ny sivana ao Rosia no tsy mahavita asa: tamin'ny farany izy ireo dia niezaka nandràra tolotra malaza iray, ary niafara tamin'ny tsy fahombiazana lehibe sy mahadikidiky izay nahatonga ny Roskomnadzor ho fihomehezana nasionaly. Mbola mandeha izany tolotra voalaza izany, dia ny Telegram.

Mazava ho azy fa tsy ilaozan'ny vazivazy ireo mpiserasera tambajotra sosialy Rosiana.

Nampidirin'ny Roskomnadzor tao amin'ny rejisitry ny mpanaparitaka vaovao ny Tinder ary notakiana mba hiara-miasa amin'ny sampandraharaha manokana Rosiana. [hoy ny sary: Nifidy Anao ny Kamaradinao Lehibe!]

Notakian'ny Roskomnadzor ny Tinder mba hampahafantatra ny FSB hoe iza no mamely an'iza. Tsy vazivazy! Ao anatiny ny antsipirihany bebe kokoa: [Sary: Tena tsara tarehy! Mety izany. Eny, veleso tsara]

Na dia eo aza ny fandàvana ampahibemaso nataon'ny Tinder amin'ny fizarana ny tahirin'ny mpiserasera, dia efa atahorana ny tsiambaratelon'ireo mpiseraseran'ilay fampiharana fitadiava-namana. Araka ny tatitry ny media mpanadihady, orinasa iray ao Moskoa antsoina hoe SocialDataHub, no nampiasa roboto mba hanangonana ny tahirin'ny mpiserasera amin'ilay fampiharana.

Araka ny nosoratan'i Andrey Zakharov, mpanao gazety mpanao famotorana izay miasa ao amin'ny BBC Rosiana, izay nanamarika hoe:

Momba ny vaovao mikasika ny Tinder izay takiana ankehitriny mba hizara ny tahiriny amin'ny FSB. Nianatra nanangona ny tahirin'ny Tinder ihany koa ny SocialDataHub (mpamita iraka miafina avy amin'ny servisim-piarovana). Misy raboto mandalo eo amin'ny mombamomba anao, mamantatra ny toerana misy anao, mampitaha azy amin'ny tahiry avy amin'ny tambajotra sosialy hafa ary mameno ny mombamomba anao iray manontolo.

Manome tolotra ho an'ny sampan-draharaham-panjakana sy izay mety ho liana amin'ny mombamomba ireo mpiserasera an-tapitrisany avy amin'ny tranonkala media sosialy am-polony samihafa ny SocialDataHub. Iray amin'ireo orinasa maro samihafa ao Rosia izay nanaovana fanadihadiana tao amin'ny lahatsoratry ny Coda Story tamin'ny taona 2018 izy:

One such firm is Moscow-based “Social Data Hub.” It proudly lists the Russian government as a client and boasts that it has a copy of the activity on every Russian social media network going back for the past seven years.

But their online hoovering also includes all the traffic generated by Russian-based users of U.S. and other international online giants such as Facebook, Instagram, Twitter and YouTube. The company also covers sites such as the Tinder dating app, and the Airbnb accommodation service. What this means in practice, for example, is that some swipes on Tinder profiles could actually have been made by bots.

Social Data Hub no orinasa iray tahaka izany izay ao Moskoa. Mirehareha mametraka ny governemanta Rosiana ho toy ny mpanjifa izy ary mirehareha fa manana ny tahadikan'ny hetsika nataon'ny tsirairay tao amin'ny tambajotra media sosialy Rosiana rehetra nandritra ny fito taona lasa.

Saingy ahitana ireo fifamoivoizana nateraky ny mpiserasera Rosiana avy any Etazonia sy ireo goavan'ny aterineto iraisam-pirenena hafa tahaka ny Facebook, Instagram, Twitter ary YouTube ihany koa ny fandraketana antserasera ataon'izy ireo. Mandrakotra tranonkala toy ny fampiharana fitadiava-tsilaka, Tinder sy ny tolotra fampiantranoan'ny Airbnb ihany koa ny orinasa. Midika izany ohatra fa ny roboto no manatontosa ny sasany amin'ireo fandalovana amin'ireo horirantava hita ao amin'ny Tinder.

Na mety hanana fidirana ao amin'ny hafatra manokana avy amin'ireo mpiserasera Tinder amin'ny ho avy na tsia ny sampan-draharaham-piarovana Rosiana, dia miankina betsaka amin'ny fahavononan'ny orinasa hamoaka tahiry izany. Na izany aza, tsara ny mahafantatra fa misy orinasa tsy miankina iray — ao anatin'ny maro — efa sahirana mafy mandrakitra ny zavatra ataon'ny mpiserasera, izay tendreny, andalovan'ny masony ary famangita-toerana sy mivarotra izany amin'ny mahasahy lafo indrindra, izay mety ho ny sampan-draharaham-piarovana Rosiana ihany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.