- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Asa tanana any am-ponja: manamboatra asa tanana “Made in prison” ireo vehivavy gadra any Albania

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Albania, Fampandrosoana, Fanabeazana, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Vokatra vita tànana nataon'ireo vehivavy voafonja, tafiditra amin'ny tetikasa “Made in prison” any Albania. Sary: madeinprison.al, nahazoana alalana. 

Tranonkala iray mivarotra vokatra namboarin'ireo vehivavy voafonja ao amin'ny fonjan'i Ali Demi ao Tirana, fonja tokana ho an'ireo vehivavy ao amin'ny firenena Balkana ahitana mponina 2,8 tapitrisa ny Made in Prison [1] (Vita tany Am-ponja [1]) .

Fisantaran'asa avy amin'ny Orkidea  [2]ny tetikasa, FTMF mandala ny zon'ny vehivavy ao an-toerana izy io, ary nahazo famatsiam-bola avy amin'ny Masoivohon'i Etazonia ao Tirana. Hatramin'ny fanombohany tamin'ny 8 marsa 2019 [3], notohanan'ny Minisiteran'ny Fitsarana sy ny Fitantanana Ankapobe ny Fonja ao Albania ny tetikasa.

Hatramin'ny 12 Jona, namokatra asa tanana 235 ireo voafonja, ka ny 82 no namidy tamin'ny mpanjifa Albaney sy ampitan-dranomasina tamin'ny alàlan'ny tranonkala, hoy ny Orkidea nilaza tamin'ny Global Voices tamin'ny alàlan'ny mailaka.

Mandalo ao amin'ny kaonty banky manokana an'ireo vehivavy mpanao asa tanana tsirairay avy ny fizotry ny varotra rehetra.

Tamin'ny fijoroana vavolombelona navoaka tao amin'ny tranonkala Made in Prison, voafonja iray no mitantara ny fiantraikan'ny tetikasa tamin'ny fiainany:

My name is Mira. I am serving my sentence at the women’s prison since two years and a half now. I have learned many things here. The services offered are helping me change my life. I feel like a normal person again. I have been sentenced 3 years in prison and everything was hard, but now you are helping me to see a hopeful life.

Mira no anarako. Roa taona sy tapany izao no nigadrako tato amin'ny fonjan'ny vehivavy. Nianatra zavatra maro aho. Manampy ahy hanova ny fiainako ireo tolotra nomena. Mahatsiaro ho toy ny olon-tsotra indray aho. Voasazy higadra 3 taona an-tranomaizina aho ary sarotra ny zava-drehetra, saingy manampy ahy hahita fiainana feno fanantenana ianareo ankehitriny.

Ny Orkidea ankehitriny no miantoka ny fitaovana ampiasaina amin'ny vokatra, saingy naneho faniriana hiantoka ny sasany amin'ireo vidiny ireo amin'ny ho avy ny mpandray anjara, ho toy ny fomba hanodinana ny tetikasa ho maodelim-pihariana maharitra.

Ireto ny sasany amin'ireo  vokatra lafon'ny Made in Prison

Ity poketra ity:

View this post on Instagram

#Cante #Punimedore kodi 07 Cmimi 4000 L [4]

A post shared by Made in Prison Albania [5] (@madeinprisonalbania) on

Kavina:

View this post on Instagram

#Vathe #punimedore Kodi 013 Cmimi 790 L [6]

A post shared by Made in Prison Albania [5] (@madeinprisonalbania) on

A brooch:

View this post on Instagram

#Spile #punimdore Kodi 015 Cmimi 690 L [7]

A post shared by Made in Prison Albania [5] (@madeinprisonalbania) on

Araka ny filazan'ny Fikambanana Eoropeana ho an'ny Fanabeazana eny amin'ny Fonja [8] (EPEA amin'ny teny Anglisy), manana fonja miisa 23 i Albania. Ali Demi no hany natokana ho an'ny vehivavy. Misy ihany koa hopitaly iray ho an'ny voafonja.

Hoy ny EPEA mamariparitra ny ao amin'ny fonjan'i Ali Demi:

There are no known “gangsters’” in this prison, no kidnappers, and no women of high-profile political scandals. Many of them, without creating misunderstandings, are “accessories” of crimes committed by males, who might have been their husbands, brothers or, lovers. The most serious crimes perpetrated by these women are prostitution, burglary, fraud (embezzlement) and not by its importance, murder due to family circumstances.

Tsy misy “gangsters” fanta-daza ao amin'ity fonja ity, tsy misy mpaka an-keriny, ary tsy misy vehivavy nitana toerana ambony ara-politika tratra tamin'ny raharaham-panafintohinana. Maro amin'izy ireo, mba tsy hisian'ny fahadisoan-kevitra, no “tafiditra” tamin'ny heloka nataon'ireo lehilahy, izay mety ho vadin'izy ireo, anadahy na sakaiza. Ny heloka bevava lehibe indrindra nataon'ireto vehivavy ireto dia ny fivarotan-tena, ny famakian-trano ary hosoka (fanodinkodinam-bola) ary tsy noho ny maha-zava-dehibe azy, ny famonoana noho ny toe-javatra ara-pianakaviana.

Ny aizina taloha tao amin'ny fonja Albaney

Ny fonja any Albania, ny toby fiasana an-terivozona ary ny toerana famonjana nandritra ny vanim-potoana komonista [9] no lazaina matetika fa toerana mampihorohoro.

Ho an'ny Albaney maro, Spaç dia mitovy amin'ny fampijaliana sy ny fahafatesana. Mpanohitra tsy tambo isaina sy olona an'arivony maro no nogadraina teto talohan'ny taona 1990. Saripikan'i Attila Terbócs (CC BY-SA 4.0)

Iray amin'izy ireo ny fonjan'i Spaç [10], ao amin'ny faritr'i Lezhë. Araka ny voalazan'ny World Monuments Fund, fikambanana natokana fiarovana ny rafitra ara-tantara sy ny vakoka lova ara-kolontsaina manerana izao tontolo izao hoe:

Spaç Prison was a notorious labor camp established in 1968 by the Communist government of Albania at the site of a copper and pyrite mine, in a remote and mountainous area in the center of the country. While only one of many such sites, the political prisoners held at Spaç included some of the most prominent Albanian intellectuals of the twentieth century.

 

Ny fonjan'ny Spaç no toby fiasana an-terivozona malaza indrindra napetraky ny governemanta komonista tao Albania tamin'ny taona 1968, napetraka tao amin'ny toeram-pitrandrahana varahina sy pyrites, tany amin'ny faritra lavitra sy be tendrombohitra any afovoan'ny firenena. Raha iray amin'ireo toerana marobe, nahitana ny sasany tamin'ireo manam-pahaizana Albaney malaza indrindra tamin'ny taonjato faha-20 ireo gadra politika nogadraina tao Spaç.

Amin'izao fotoana izao, dia toerana fahatsiarovana ho an'ny mponina eo an-toerana sy fisarihana mpizahatany [11] sisa ny fonjan'i Spaç.

Araka ny nambaran'ny [12] fikambanana Albaney ivondronan'ny voafonja ara-politika teo aloha, lehilahy teo amin'ny 5.577 sy vehivavy teo amin'ny 450 no novonoina ho faty noho ny heloka bevava ara-politika nandritra ny vanim-potoana komonista nanomboka tamin'ny taona 1946 hatramin'ny taona 1991. An'aliny ireo nogadraina na nalefa tany amin'ny toby fiasana an-terivozona.

Hatramin'ny firodanan'ny komonisma, voatsikera noho ny fepetra ratsy  [13]ao aminy ny fonjan'i Albania, ohatra voatanisa matetika ny olana toy ny hipoka gadra loatra, voafetra ny fahazoana hazavana ao amin'ny fonja ary ny tsy fahampian'ny fahadiovana.

Nangataka tamin'ny manampahefana Albaney ny Filankevitr'i Eoropa  [14]mba hampitombo ny ezaka amin'ny fiarovana ny zon'olombelona voafonja ary hanohana ny fanarenana azy ireo.

Ny tetikasa “Made in Prison” dia mety hanampy amin'ny fampiatiana indray ireo vehivavy gadra hiverina eny anivon'ny fiarahamonina aorian'ny famotsorana azy ireo.