Translator Newsletter: Fitenim-paritra, Teknolojia maoderina ary tantara hafa koa!

gvlogo

 Salama ry GV'ers!

Tongasoa eto amin'ity herinandron'ity famoahana Translator Newletter ity! Androany isika hiresaka momba ny…

Fandikanteny ALTA Fikafikan'ny herinandro

Screenshot taken from www.altalang.com

Pikantsary azo tao amin'ny www.altalang.com

Vao namoaka andian-dahatsoratra vaovao ny ALTA izay amoahany isan-kerinandro toro-hevitra vaovao sy fomba fanazarana tsara indrindra ho an'ny mpandika teny. Miresaka momba ny Raki-teny sarotra izy ireo amin'ity herinandro ity! Ilaina ny raki-teny sarotra rehefa misy asa fandikan-teny betsaka mandeha ao amin'ny sehatra na vondron'asa iray manokana. Mahaavotra fotoana maro ireny ary manatsara ny fahamarinan'ny fandikanteninareo. Tsindrio eto raha te-hahalala bebe kokoa!

Fandikan-teny sy Teknolojia Maoderina

Screenshot taken from www.translatorsfamily.com

Pikantsary azo tao amin'nywww.translatorsfamily.com

Efa nanontany tena ve ianareo hoe ahoana no nanovan’ ireo zavatra tahaka ireo fitaovana CAT sy ny rakibolana nomerika ny indostirian'ny fandikan-teny? Amin'ny fiavian'ny teknolojia vaovao, misy karazana fandikan-teny vaovao ve? Miresaka momba ity rehetra ity sy ny maro hafa ao amin'ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe “Ahoana no nanovan'ny teknolojia maoderina ny orinasan'ny fandikan-teny?” ny Family Translator. Vakio ato izany!

Fiteny vs. Fitenim-paritra Language vs. Dialect

Screenshot taken from www.theatlantic.com

Pikantsary azo tao amin'ny www.theatlantic.com

Inona ny fahasamihafana, na izany aza? Ato amin'ity tsanganana tena mahaliana ity, notsongain'ny Atlantic i Max Weinreich, mpahay teny sady mpiteny Yiddish, tamin'ny filazana fa ” ny fiteny iray dia fitenim-paritra ihany fa manana tafika sy andian-tsambo”. Fa maninona ny Danoà sy ny Soedoà no heverina ho fiteny roa samihafa, kanefa ny Kantoney sy ny Mandarin dia tenim-paritra roa avy amin'ny fiteny iray? Mijere kely ary lazao anay izay eritreritrareo!

Fandikana tenyeo noho eo ao amin'ny Skype

Screenshot taken from languagemagazine.com

Pikantsary azo tao amin'ny languagemagazine.com

Namoaka tamin'ny fomba ofisialy ny fanavaozana fandikan-teniny farany ny Skype, izay vinavinain'ny maro ho an'ny mpisera ny desktop Windows! Araka ny lahatsoratra tao amin'ny Language Magazine, ” Manolotra fandikan-teny mamoa-peo avy hatrany amin'ny fiteny fito samihafa ny programa: anglisy, frantsay, alemà, italiana, mandarin, paortiogey ary espaniôla- ary koa fandikan-teny an-tsoratra amin'ny fiteny 50 fanampiny”. Te hanandrana izany ve ianao ? Miantso GV'er iray miteny ny iray amin'ireo fiteny ireo ary lazao anay hoe ahoana ny fandehan'izany!

—————

Toy ny mahazatra, misaotra anareo rehetra noho ny asa mafy ataonareo sy ny fanoloran-tenanareo ho an'ny GV!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.